Efa raindahiny tanteraka amin’ny resaka fakana an-keriny izy ireo ary tompon’antoka tamin’ireo tranga nisy sy nisesisesy tany an-toerana. Voasambotry ny zandary ny voalohan-dohan’ny volana teo ry zalahy ireto rehefa nisy ny angom-baovao azo, tao Behazomaty, distrika Kandreho, faritra Betsiboka. Raha tsiahivina dia nisy trangana fakana an-keriny tany an-toerana ny voalohandohan’ny volana jona lasa teo. Olona telo no nalain’ireto olon-dratsy ireto tamin’izay fotoana izay ary nitakian’izy ireo vola an-tapitrisany maro ny fianakaviana ho tambin’ny famotsorana azy. Rehefa nisy ny fifanarahana dia vola manodidina ny 12 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izay. Avotra soa aman-tsara moa taorian’io ireo takalon’aina. Nanomboka teo ny fikarohan’ireo mpitandro filaminana azy ireto ary izao niafara tamin’ny fisamborana izao. Tamin’ny famotorana azy ireo ihany no nahafantarana fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny trangana fakana an-keriny, izay saika nitranga tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Petsapetsa, kaominina Andasibe, distrika Kandreho ihany. Noho ny fahaiza-manaon’ireo zandary anefa dia tsy tanteraka ilay asa ratsy ary tafatsoaka ireo olon-dratsy. « Efa mpamerin-keloka izy ireo ary efa ela nokarohina, hoy ny vaovao » Jiolahy izay nampitondra faisana olona maro tany amin’iny faritra iny sy ireo distrika mpifanolo-bodi-rindrina. Mbola eo am-pelan-tanan’ny zandary atao famotorana moa ireto jiolahy telolahy ireoto aru hatolotra ny Fampanoavana aorian’izay.
m.L