Nitrangana hain-trano mahatsiravina indray tany amin’ny distrikan’i Kandreho ny faran’ny herinandro teo. Trano miisa 16 tafo ao amin’ny fokontany Ambalajia no voalaza fa nodoran’ny tovolahy iray. Ny zoma lasa teo, nanodidina ny tamin’ny 10 ora maraina tany ho any, nanomboka nidedaka ny afo. Raha ny fanazavna voaray tamin’ny mpitandro ny filaminana nanao ny “constat” sy ny fanadihadiana ireo niaram-boina rehetra teny an-toerana, voalaza fa tao amin’ny tranon’ny filoha lefitry ny fokontany no niantombohan’ny afo. Noho ny fitsokan’ny rivotra mafy anefa dia nitatra izany ka nandrehitra trano miisa 16 izay nifanakaiky teo. Ny fifanomezan-tànana teo amin’ny samy mpifanolo-bodirindrina no nahafahana namono ny afo. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any vao tena voafehy tanteraka izany. Tsy nisy kosa anefa ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany. Vary 600 daba, fitaovan-dakozia maromaro ary vola mitentina 20 tapitrisa ariary kosa no may tao anatin’izany. 80 isa ireo olona tsy manan-kialofana vokatr’ity hain-trano ity. Noho ny ahiahy napetraky ny fokonolona dia tovolahy iray 17 taona monja izay voalaza fa mety ho nahavita izao loza izao no nosamborina ka naterina tany amin’ny borigady ao Kandreho izay miandraikitra ity raharaha ity hanaovana famotorana.
Maevatanàna. Nitrangana hain-trano ihany koa tany Maevatanàna ny zoma lasa teo ihany koa. Manodidina ny tamin’ny 7 ora hariva, tao amin’ny fokontany sy Kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjo Bemasoandro, tokantrano iray no nirehitra. Tsy fantatra ihany koa ny tena fiavian’ny afo. Tsy nisy rahateo koa ny naratra na ny aina nafoy fa saika ny entana rehetra tao an-trano no najifa may tamin’izany. Tsy niandriandry fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny zandary avy ao amin’ny “Poste avancée” ao Mahatsinjo namonjy voina teny an-toerana. Efa mandeha araka izany ny famotorana.
Niony H.