mardi, avril 1, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Ambatolampy Tsimahafotsy : Tsy manaiky anotofana ny tanimbary Ambaniatsinana ny fokonolona

Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy : Tsy manaiky anotofana ny tanimbary Ambaniatsinana ny fokonolona

Tanimbary antsoina hoe Ambaniatsinanana, izay an’ny tantsaha amin’ny fokontany Avarajoro, Ambatolampy Ary Ambodifasina, ao anatin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy no misy mikendry hanototra amin’izao fotoana izao. Tanimbary manodidina ny 100Ha mahery any ireo, izay fananan’ny tantsaha efa ho an-jatony taona maro, izao kasaina hototofana izao. Tsy manaiky izany ireo tantsaha avy amin’ireo fokontany telo tonta, miroaroa saina amin’izao toe-javatra izao. « Tanimbary tsy tokony hototofana. Tsy fantatray hoe inona no hatao eto ? Tsy mazava. Ilain’ny fanjakana vé ? Tsy mahalala ny tantsaha hoe iza no mampiantso ? Lalana mikodana tsy olana fa ilay tanimbary tsy tokony hototofana kosa », hoy ireo fokonolona tamin’ny mpanao gazety omaly teny an-toerana. Raha ny fanadihadiana natao, tsy mazava amin’ireo tantsaha ny antony anotofana ireo tanimbary tena goavam-be. Nilaza izy ireo fa taratasy fotsiny no nomeny azy ny alahady teo fa ilain’ny fanjakana ny tany. Omena tambim-bola amin’ny vidin’ny vary eo ambony tany ireo tantsaha fa kosa tsy misy tambiny ny tany. Ny filoham-pokontany Avarajoro nilaza fa tsy mahalala akory izay antony anotofana fa baiko no tanterahiny amin’ny famoriana ny fokonolona. Omaly dia nisy ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny fokonolona, saingy tsy nisy zavatra tapaka. Takian’ny fokonolona ny fanazavana avy amin’ny mpitondra fanjakana momba ny fikasana hanototra ny tanimbary, ary tsy manaiky ny hanaovana izany izy ireo andaniny.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici