- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina ambonivohitra Toamasina : Vita sonia ny fiaraha-miasa tamin’ny Lafarge-Holcim…

Kaominina ambonivohitra Toamasina : Vita sonia ny fiaraha-miasa tamin’ny Lafarge-Holcim…

Natao ny alakamisy tamin’ny 8 ora maraina ny fanavan-tsonia teo amin’ny ben’ny tananan’i Toamasina Atoa Rakotonirina Nantenaina Herilala, sy ny tale jeneralin’ny LafargeHolcim Atoa De Lesquen François, momba ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta amin’ny famatsiana simenitra ny kaominina.

Raha ny voalaza tao anatin’ilay fifanarahana dia famatsiana simenitra amin’ireo fanamboarana takelaka fanoroana eny an-dalana an-jatony, sy fanamboarana ireo sarona « Dalles » simba miisa 200 eo ho eo. Ampahany voalohany amin’ny fifanarahana ihany no natao sonia ny alakamisy maraina teo ity, fa mbola ho avy ny manaraka, hoy ny ben’ny tanana. Nandritra izany koa no nanentanan’Atoa Rakotonirina Nantenaina Herilala ireo orinasa samihafa eto Toamasina mba hifanampy amin’ny kaominina, fa betsaka ny asa fanatsarana ny tanàna tokony hatao, nefa kely volan’ny kaominina. Nomarihan’Atoa De Lesquen François fa ny LafergeHolcim, manana ny orinasany ao Tanandava, dia mpiara-miasa hatrany amin’ny faritra iasany sy ny kaominina misy azy. Nohamafisin’ity tale jeneraly ity hatrany fa andiany voalohany amin’ny fifanarahana ifanaovan’ny kaominin’i Toamasina sy ny orinasa LafargeHolcim ity famatsiana simenitra fanamboarana takela-pamantarana eny an-dalam-be, sy sarona « Dalles » samihafa.

Mbola vonona hatrany ny orinasa amin’ny fifanampiana samihafa eo amin’ny kaominina misy azy, satria raha mandroso ny tanàna dia mandroso ho azy koa ny orinasa noho izy mamokatra fitaovam-panamboarana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici