
Polisy kaominaly miisa 14 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy ny 24 aogositra teo, teo ambany fitarihan’ny Ben’ny Tanàna tao an-toerana. Tany am-boalohany dia niisa 30 mianadahy izy ireo, araka ny fankatoavana sy fanapahana avy tamin’ny Filankevitra kaominaly, saingy rehefa avy nandalo sedra sy fiofanana dia 14 no nahatojo hatramin’ny farany. Mba hahamatihanina azy ireo mantsy dia nisy ny sivana ara-pahalalana sy ara-panatanjahantena ary fiofanana natao azy ireo, izay niandraiketan’ny FIP sy ny Zandarimaria Andoharanofotsy ary ny Polisim-pirenena tao Tanjombato. Maro ny andraikitra sahanin’ireto Polisy kaominaly ao Andoharanofotsy ireto, raha tsy hilaza afa-tsy ny fampiharan’izy ireo ny fanapahana kaominaly rehetra, ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny tsena, ary ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fidiovana. Ao koa ny fanampiana ny Polisy sy ny Zandary ary ny STC. Marihina fa vinavinaina hahatratra 30 isa izy ireo amin’ny taona 2018. Maro ireo olo-manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila tonga nanatrika izany lanonana izany. Anisan’izany ny lehiben’ny Distrika Atsimondrano, solontenan’ny Senatera, ny avy ao amin’ny Polisy nasionaly, ny filaminam-bahoaka, ny FIP, ny Zandarimaria Andoharanofotsy, ny polisim-pirenena Tanjombato sy Andoharanofotsy, ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana eo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy, ny Filohan’ny Filankevitra Kaominaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny SLC “Structure Locale de Concertation” ary ireo lehiben’ny Fokontany 8 mandrafitra ny Kaominina.