Nisafidy ny kaominina Antetezambaro Toamasina II ny orinasa Hita eto Toamasina suburbaine. Nosafidiana ny Tanana antsoina hoe Matera ao amin’ny fokontany Vohidrotra nanao izany ny sabotsy teo, satria orinasa mpandray andraikitra sy politika ny orinasa mihitsy ny resaka tontolo iainana. Zanakazo 2.500 fototra no novolena nandritra izany izay notarihan’Atoa Razafindrazana Handrisoa talen’ny orinasa. Zanakazo Kininina sy Mandrorofo no novolena nandritra izany, izay karazana zanakazo mora maniry ny mora karakaraina izy ireo ary karazana zanakazo misy amin’ilay toerana novolena zanakazo ihany koa. Nomarihan’ny tale jenerain’ny orinasa fa fandraisana anjaran’ny orinasa ao anatin’ny ara-tsosialy sy resaka tontolo iainana izao hetsika izao, mba hiarahan’ny orinasa mandroso sy mampandroso an’i Madagasikara sy i Toamasina misy azy ireo. Efa nanamarika ihany koa ny tale jeneralin’ny orinasa fa tsy misy atahorana ny menaka vokarin’izy ireo, noho ny fepetra ara-pahasalamana sy fitiliana tsy maintsy atao isan’andro. Tsy atahorana izany fahapozinana ara-tsakafo izany satria manara-maso ny menaka aparitany eran’ny Nosy koa izy ireo. Efa nitsidika ny orinasa rahateo ny minisitra ny indostria mikasika izany, sy nanamarina fa tsy misy atahorana ny menaka vokarany na betsaka aza ny feno niely momba izany tamin’ireny fahapozinana ara-tsakafo nitranga teto ireny.
Malala Didier