Miteraka resabe ary mbola mitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiasan’ny kaominina eto Antsirabe ambonivohitra. Efa naharitra ny fitokonana sy fitakian’ireo mpiasa, niato kely izany teo aloha ary niverina indray ankehitriny. Misy amin’ireo mpiasa nitokona no efa tapaka karama amin’izao fotoana, nahazo ny fampiatoana karama na « suspension de solde » Efa herinandro maromaro izao no tazana teo anoloan’ny kaominina indray ny sora-baventy milaza ny fitakiana sy tolona ataon’ireo mpiasa mitokona. Nambaran’ireo mpiasa fa nesorina an-keriny teo amin’ny toerana nisy azy ilay sora-baventy hany sisa hanehoan’izy ireo ny fitakiany. Niakatra ny mari-pana ka niroso tamin’ny dingana hafa ireo mpiasa nitokona ary nanisy sakana teo amin’ny vavahady fidirana misahana ny « etat civil » hampikatsoana ny raharaha. Marihana fa ity sampana ity dia miasa fa tsy mitokona miaraka amin’ireo mpiasa akory. Niditra an-tsehatra ny filohan’ny delegasiona manokana misahana ny tanan’Antsirabe Razafindrainony Beryl nikasa handrava ilay sakana, ka teo no nanomboka ny savorovoro. Tsy tontosa anefa izany fa nisintaka ny filohan’ny delegasiona , ireo mpiasa kosa nanohy ny sakana sy ny fitakiany hatrany.
Nisy ny fifampiresahan’ny mpanao gazety tamin’ny delegasiona manokana mitantanta ny tanan’Antsirabe izay nahazoana fanazavana toy izao. Araka ny efa tapaka, dia efa nisy ny fifampiraharahana tamin’ireo mpiasa, indrindra mikasika io karama io. Ao anatin’ny ezaky ny kaominina amin’izao fotoana hanatratrarana ny tanjona, dia ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izany. Iaraha-mahalala, hoy hatrany ny fanazavana, fa mamelon-tena ny kaominina amin’izao fotoana, ka ny fampidiram-bola ihany no vahaolana hamahana ny olana ara-bola iainan’ny kaominina. Tsy ny eto Antsirabe ambonivohitra ihany no misedra olana toy izao, hoy ireo mpitantana nanazava, fa manerana ny nosy mihitsy. Ho an’Antsirabe manokana, vahaolana iray ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharan’asa Matoy, hanamafisana ny fampidiran-ketra ka amin’izao fotoana raha ny tetibola nasehon’ny mpitantana, tao anatin’ny herinandro dia mahatratra 19 tapitrisa ariary no niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ka hojerena amin’ny alalan’io ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa. Mikasika ireo 4 bolana tsy voaloa kosa dia nambaran’ny mpitantana fa hojerena ny hamahana izany. Tsy mbola misy rahateo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana. Nolazain’ireo delegasiona hatrany fa tsy misakana ny fitokonana hataon’ireo mpiasa akory izy ireo fa tsy ekena kosa ny fihoaram-pefy, anarana ilazany ny sakana nataon’ireo mpiasa, fa manohintohina ny filaminana. Mampiasa an’io sampana mikarakara ny sora-piankohonana io avokoa ny vahoakan’Antsirabe, hoy ny mpitantanana, ka tsy tokony hosakanana. Notsipihany fa misy fepetra tokony harahina ny fanaovana fitokonana. Etsy an-kilany, mitana ny heviny ireo mpiasa ary naneho ny alahelony ny amin’ny tsy fanajana ny zon’izy ireo. Nambaran’ireo mpiasa mitokona mantsy fa fandrahonana sy fampitahorana no hiainan’izy ireo raha vao maneho hevitra. Maro tamin’ izy ireo no nahazo D.E « Demande d’explication », tapaka karama sns… raha ny fanazavany hatrany. Ny fifanarahana izay noheverin’izy ireo fa hitondra vahaolana dia nohamafisiny fa famonoana afo ny tolona ary tsy nisy ny fampitam-baovao tamin’izy ireo. Raha ny fantatra dia ny karama volana jona no noraisina farany tamin’ny 15 oktobra lasa teo. Andrasan’ny mpanara-baovao noho izany izay mety ho tohon’ny tantara…
Andry N.