Tontosa tamin’ny faran’ny herinadro lasa teo tao amin’ny lapan’ny tanana ny fifamidram-pitanana tamin’ny ben’ny tanana nisolo-toerana sy ny ben’ny tanana Honoré Gabriel Rasamimanana antsoina hoe Dr Unoh avy amin’ny vovonana IRMAR.
Raha tsiahivina dia vato iray monja no nambara fa nandresen’ity kandida ben’ny tanana avy amin’ny vovona IRMAR ity nanoloana ny kandida natolotry ny Firaisankina Maitre Ravaka, saingy niova izany tamin’ny ora farany nanambarana ny vokatra ofisialy.
Etsy andaniny, nitondra ny rahaha teo anivon’ny fitsarana ny vovona firaisankina sy ny antoko TIM nambaran’izy ireo fa nisy ny hosoka nialoha ary nandritra ny fifidianana, hanana porofo mivaingana izany ary miandry ampahendrena ny vokatry ity fitoriana ity ireto farany.
Etsy ankilany kosa, mitohy ny asa hoy ny ben’ny tanana Dr Unoh, nandritra ny fanangan-tsaina voalohany ny Alatsinainy 27 Janoary 2025 niarahany tamin’ireo mpiasan’ny kaominina. Hiditra amin’ny “ 2eme mandat” ny ben’ny tanana Dr Unoh, maro ny zava-bita fa mbola maro koa ny miandry hoy tenany, misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha miasa ho fampandrosoana ny tanan’Antsirabe, ilaina ezaka avy amin’ny rehetra ny fampandrosoana, isan’izany ny fanajana ny fotodrafitrasa sy ny fananana iombonana.
Notsipihany manokana ireo manao fanorenena amin’ny toerana mampidi-doza, toy ny eny ambony lakan-drano sy manamorona tevana izay feno azy tokoa raha eto Antsirabe ankehitriny.
Ankoatra izay ny tsy tokony hanariana fako eny amin’ny toerana tsy fanariana azy, toy ny ranon-tany sy rantsan-kazo, misy aza moa ny manary tay mihitsy toy ny nitranga vao tsy ela akory tao Andranomafana tao, nariana eraky ny ara-be ny tay avy noloarana, ny sasany naparitaka tamin’ireny lakan-drano ireny. Antenaina fa hijery manokana ity fomba mahatsiravina mitranga matetika ao Andranomafana ity ny fiadidina ny tanana.
Andry N.