Taorian’ny 14 novambra 2013 lasa teo rehefa voalaza fa nivaha ny olana tamin’ny tsy fandraisana ny karama roa volana sy ireo fitakiana maro samihafa napetrak’ireo mpiasan’ny kaominina nitokona dia niverina indray ny fitokonana ankehitriny. Ny alakamisy 28 novambra 2013 lasa teo no nitokona tsy niasa indray ny mpiasan’ny kaominina ary namoaka ireo sora-baventy isan-karazany mitaky ny lazain’izy ireo ho ara-dalàna. Raha tsiahivina dia 14 novambra io no tonga teto Antsirabe ny delegasiona mafonja avy amin’ny ministeran’ny atitany, notarihan’ny SJ Rakotonarivo Thierry. Nisy ny marimaritra niraisana tamin’izany ka anisan’izany ny fananganana ny komity mpitantana hiarahana amin’ny solontenan’ny mpiasa, ny delegasion’ny tanànan’Antsirabe, ny mpanolo-tsaina ary ny fanjakana. Nandray ny asany ireo mpiasa taorian’io daty io saingy fotoana fohy ihany no naharetan’izany. Nolazain’ireo solontenan’ny mpiasa mantsy fa resabe sy lainga no nafafy, tsy araka ny fifanarahana ny zava-nitranga ka izay no anton’ny fitokonana. Nisy mihitsy moa ireo sahy nilaza fa atao takalon’aina politika ny mpiasa amin’ny fanohanana kandida iray amin’izao fifidianana tanterahina eto amin’ny firenena izao . Hentitra ny tenin’ireo solontenan’ny mpiasa ireo nilaza fa tsy hanaiky intsony ary mitaky ny hanongotra hatramin’ny fotony ireo lazainy fa mikasa ny hamotika ny tananàn’Antsirabe, indrindra fa ny kaominina Antsirabe I.
Andrasana noho izany izay mety ho fizotran’ny tantara, ny hita taratra aloha dia ny fahasahiranan’ny mponina hikarakara ireo taratasim-panjakana, indrindra fa ireo mikasa ny hanao sora-panam-badiana izay maro tokoa amin’izao ankatoky ny fety izao.
Andry N.