- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Antsirabe : Notsidihan’ny delegasiona Renioney

Kaominina Antsirabe : Notsidihan’ny delegasiona Renioney

Delegasiona valo mianadahy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion no tonga nitsidika ny kaominina Antsirabe ambonivohitra ny alatsinainy 17 oktobra lasa teo. Fantatra fa tohin’ny dian’ny ben’ny tanàn’Antsirabe Paul Razanakolona tany amin’io Nosy io izao fahatongavan’ireto delegasiona ireto izao. Teboka maromaro no noresahina nandritra ny fitsidihany, hoy ny sekretera jeneralin’ny kaominina Rtoa Ravolalaina Razafindrazaka. Isan’izany ny fijerena ifotony teny amin’ny sampandraharaha teknika, na ny voirie. Isan’ny tetikasan’ny ben’ny tanàna mantsy ary efa nampanantenainy ny hisian’ny sampandraharaha mpamonjy voina, ary ny hananana ireny fiara mpamonjy trano may ireny. Hatrizay mantsy tsy mba nanana azy io  ny kaominina Antsirabe ka antenaina ny hahazoana izany tsy ho ela. Nanome toky moa ireo delegasiona fa hijery olona manana fahaizana manokana mikasika io vonjy voina io mba hanampy ny kaominina. Nasiain-dresaka koa ny lafiny fizahan-tany, Antsirabe rahateo ifanotofan’ny mpizaha tany noho izy tsy maintsy andalovana raha hihazo ny faritra atsimon’ny Nosy. Ankoatra izay, misy toerana maro azo tsidihina eto. Nanaitra ireto delegasiona ireto ohatra ny fisian’ny ranovisy sy ranomafana eto Antsirabe.

Antenaina noho izany fa hisy akony amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe izao fitsidihina ataon’ireo delegasiona ireto izao, indrindra ny hahazoana ilay fiara mpamonjy voina. Efa ela niaretana raheto ny vahoaka sy ny tanàna, indrindra fa rehefa misy voina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici