- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Antsirabe : Tokony ho voaloha ny karaman’ny mpiasa

Kaominina Antsirabe : Tokony ho voaloha ny karaman’ny mpiasa

Tsy afaka ny hipetra-potsiny izahay hoy ireo ankolafin-kery maro nitambatra ao amin’ny mpanolo-tsaina satria raha marary ny aty tohina ny afero araky ny fiteny. Nampiantso ny mpangao gazety teto Antsirabe ny mpanolotsain’ny kaominina ny datin’ny Alatsinainy 18 Febroary lasa teo nanazava fa tsy tokony ho tonga amin’izao fitokonana faobe ataon’ny mpiasa izao ny toe- draharaha raha toa ka nisy ny mangarahara eo amin’ny fitantanana. Saika ity resaka tsy fangaraharana ity  rahateo no fototry ny olana raha zava mitranga no jerena satria samy milaza azy ity avokoa na ireo mpiasa na ny mpanolotsaina. Nanazava ireto farany fa nanatrika feno ny fanaovana tetibola 14 andro izy ireo  ary nahita fa misy tsy mety ary misy fitanilana ny tetibola. Tsy fahefan’izy ireo intsony anefa ny manova ny tetibola fa miverina any amin’ny « contrôle financier » ary avy eo mankany amin’ny “tribunal financier” ka ireto farany no manapa-kevitra amin’io fandinihina io tetibola io. Efa nanao ny ezaka rehetra ny mpalolotsaina nijerevana io teti-bola, isan’izany ny fametrahana fanontaniana mikasika ireo karaman’ny mpiasa tsy voaloa , sy ny trosa , ankoatra izany  ny « saisine » natao. Tsy mazava ny fandehan’ny vola miditra sy mivoaka ary nanamafy aza moa ny mpanolotsaina fa raha toa ka mandalo ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana avokoa ny vola miditra  amin’ny kaominina dia tsy misy olana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici