- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Basibasy-Morombe : “Mirongatra ny fahasimban’ny alà “Mikea”, hoy ny lefitry ny ben’ny...

Kaominina Basibasy-Morombe : “Mirongatra ny fahasimban’ny alà “Mikea”, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna, Fanomezana Calvin  Jafeta

“ Atoa Fanomezana Calvin Jafeta, lefitry ny ben’ny tanàna Basibasy-Morombé”. (Sary Anastase)

Ahiana ho ripaka tanteraka ny alà ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, raha toa ka tsy misy fepetra raisin’ny fanjakana sy ireo vondron’olona eny ifotony  tohanan’ireo tetikasa sy fandaharan’asa samihafa.

Tetikasa  ADAP. Vokatry ny haintany maianjady ao amin’ny kaominina Basibasy, ao anatin’ny distrikan’i Morombe, faritra Atsimo-Andrefana, dia tsy mitsahatra ny mitotongana ny vokatra azo amin’ny fambolena, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna, Fanomezana Calvin Jafeta, ka mahatonga ny olona voatery manimba ny ala amin’ny fitadiavana ny kitay sy ny zavatra ilainy ho solon’ny sakafo. Anisan’ny lasibatra amin’izany ny alà misy ny “Parc National Mikea” izay voakilasy ho faritra arovana. Tsapa ihany koa, hoy ihany ity tomponandraikitra ity, fa tsy vitsy ireo mpiara-miombona antoka no efa miasa any an-toerana amin’ny fiarovana ny alà amin’ny alalan’ireo tetikasa sy fandaharanasa samihafa, ka anisan’izany ny tetikasa “ADAP” na “Association Pour le Developpement des Aires Protégées” vatsin’ny  Soisa amin’ny alalàn’ny “Fédération Genevoise de Coopération”, tanterahin’ny Ong Saha, ka voakasik’izany ny alan’i Bahidy sy Bekiseny ho fitantanàna mahomby handraisan’ireo vondron’olona eny ifotony anjara.

Fito isan-jato. Nomarihin’ny lefitry ny ben’ny tanàna, fa voafaritra ho 80 000 ha ny faritra azo volena ao Basibasy. Saingy velarantany miisa 5 000 ha ihany, na 7 % ihany no voavoly  noho ny  tsy fisian’ny fotodrafitrasa, toy ny lakandrano, sy ny tsy fananan’ireo tantsaha mpamokatra fitaovam-pamokarana. Ny fampitomboana ny velaran-tany azo  volena, dia fomba iray mahomby amin’ny fiarovan’ny alà, hoy Fanomezana Calvin Jafeta. Noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio, dia mirongatra ihany koa ny aretina fivalanana ao Basibasy. Manampy trotraka an’izany ireo aretina samihafa toy ny tazo, ny bilarziozy.Tobim-pahasalamana iray ihany no miantoka ity kaominina ity izay misy fokontany 9 amin’ny mponina miisa 25 000 sy velaran-tany midadasika ao anatin’ny faharatsiana ny lalana.

Eo ambany hazo. Raha ny lafiny fampianarana, dia efa simba avokoa ireo tranon-tsekoly EPP misy any an-toerana, vokatry ny fandalovan’ireo rivodoza misesy, ka mbola tsy nahitana fanamboarana. Eny an-kalamanjana eo ambany hazo no mianatra ireo mpianatra.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici