Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny ho an’ny kaominina Belazao. Miandahy miambavy mihitsy ireo manao asan-dahalo any an-toerana, raha ny filazan’ny loharanom-baovao any an-toerana. Mahatratra 30 isa ireo andian-dahalo manafika tanàna ireo, ary voalaza fa mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Indroa nisesy ny fanafihana tao anatin’ny herinandro lasa teo. Toy ny fanaon’ireo dahalo, entina handemena sy hampihorohoroana ny mponina dia pao-basy avy hatrany no asesin’ireo olon-dratsy. Tsy sahy mivoaka intsony ny mponina noho izany, ka manaram-po ireo dahalo mandroaka ny omby. Manginy fotsiny ny
famotehana sy fandravana fananan’olona. Omby sivy no lasan’ny dahalo
tao Miadankofeno, Kaominina Belazao, ny 7 desambra lasa teo. Efa somary
tonitony ihany ny fanafihana vao sahy nivoaka ny fokonolona, niezaka nanara-dia. Vokany, ireo omby tsy afa-nandeha, miisa 4, no tafaverina fa navelan’ireo jiolahy teny an-dalana, ny ambiny kosa tsy hita mandraka ankehitriny. Ny alatsinainy 9 desambra indray, omby teny an-tsaha indray no noraofin’ireo jiolahy. Nataony takalonaina niaraka tamin’izany ilay boy kely niandry omby, fa ilay rangahy be niaraka taminy efa osaosa tsy afaka ka navelany teo. Ity farany no nampandre ny fokolona, natao ny fanarahan-dia, tsikaritr’ireo dahalo ny fokonolona nanaraka ka nony niditra kizokizo ry zalahy dia navelany ny omby sy ilay boay kely. Tafaverina avokoa ny omby ary avotra soa aman-tsara ilay takalon’aina.
Andry N.
Kaominina Belazao : Dahalo miandahy miambavy manao fanafihana
Suivez nous
Articles qui pourraient vous intéresser