Tsy mety mifarana mihintsy ity resaka rongony ao Toamasina faharoa ity, na efa manao ny ezaka rehetra ny zandary amin’ny fisavana ireo fambolena sy mikasika ity resaka rongony ity. Araka ny vaovao vpoaray avy amin’ny zandary indray dia tovolahy iray sady mpifoka no mpivarotra rongony iray tratran’izy ireo. Nisy ny fitanana azy tao amin’ny Poste fixe tao Fanandrana, ka raha nosavaina ny tany aminy dia rongony mifono nahatratra folo kapoaka ny hita. Ny 28 jona tamin’ny 05ora maraina moa no nahatrarana azy ity, ary mbola tao anatin’ny fahamamoana tamin’ny rongony fohany ny tenany. Marihina fa avy ao Ambalateza kaominina ambanivohitry Sahaviavy any Ifito, monina ao amin’ny fokontany Ambodiara, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II ity lehilahy vosambotra ity, ary efa natao andrimaso ao amin’ny poste fixe de la gendarmerie nationale Fanandrana io lehilahy io. Misokatra ny fanadihadiana momba azy mba hamantarana ny mpifandray tendro aminy sy famarotana ireto rongony ireto; ny Poste fixe ao Fanandrana no misahana ny famotorana ireny rehetra izany. Raha vita izany dia ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina no mihazona ny raharaha, ka ho hita eo ny tohiny ny raharaha.
Malala Didier