- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Fanandrana Toamasina II : Tsy eken’ny vahoaka ny fanendrena PDS nataon’ny...

Kaominina Fanandrana Toamasina II : Tsy eken’ny vahoaka ny fanendrena PDS nataon’ny ministeran’ny atitany

Maty am-perinasa tamin’ny volana jolay tamin’ity taona ity ny ben’ny Tanana lanim-bahoaka tao amin’ny kaominina Fanandrana Toamasina II , amin’ny lalam-pirenena faha-02 iny. Ny ben’ny Tanana lefitra voalohany no nisahana ny raharaha rehetra teo anivon’ny kaominina taorian’izay ; izay voalazan’ny lalana manan-kery, nefa ny 29 oktobra 2018 teo dia nandray didim-panjakana laharana 26.995/18 nanendry filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ny minisiteran’ny atitany.

Olona telo izay tsy nisy na iray aza efa mpiasa niara-niasa tamin’ny ben’ny Tanana maty am-perinasa no notendren’ny minisiteran’ny atitany nandritra izany, fa ny Pds dia lefitry ny lehiben’ny distrika, ny roa lefitra kosa dia olona hafa mihitsy ka ny lefitra voalohany amin’izany dia efa manana olana goavana amin’ny vahoaka tamin’ny naha-lehiben’ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany azy tany an-toerany. Raha ny fanazavan’ireo vahoaka ao Fanandrana, dia tena tsy tokony ho nanendry ity lefitra voalohan’ny Pds ity ny fanjakana, satria olona tena fahavalom-piarahamonina ao an-toerana izy io? Ka raha izay no hisy dia hahiana tanteraka ny sakoroka hitranga izay tena hatahorana hiteraka faty olona. Nandritra ny naha-tompon’andraikitry ny BIF azy tao Fanandrana, dia sasatry ny miady amin’ny fakana an-keriny sy fanovana taratasin-tanin’olona ary fanomezana kara-tany, amin’ny tany manana « titre » ity lefitra voalohan’ny Pds ity. Efa nanao tatitra momba izany ireo mpanolotsain’ny kaominina, ny taona 2014 ; izay nilaza ireo tanin’olona maro mirefy an-jatony hekitara nahodinkodiny, misy amin’ireo olana no miandry valim-pitsarana ankehitriny.

Ankoatra izay, dia manahy ny ho fanodinkodinana ilay tamberim-bidy mitentina enina miliara ariary, azon’ny kaominina tamin’Ambatovy ny tian’ireo mpanendry sy ireto Pds notendrena ireto, hoy hatrany ny vahoaka. Ho hita eo izany ny tohin’ity raharaha ity, satria maika na hihatra aman’aina aza hoy ireo vahoaka ao Fanandrana, dia toherin’izy ireo hatramin’ny farany izao fanendrena Pds izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici