Nandritra ny fivorian’ny mpanolontsain’ny Tanàna tao amin’ny kaominin’i Fenerivo atsinanana, dia navaivay ny fanakianana nataon’izy ireo ny ben’ny Tanàna amin’ny fitantanana sy ny fampandehanana ny kaominina ankehitriny. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana mantsy dia 12 volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny kaominina, ka voatery nampiantso fivoriana nandinihana izany ny filan-kevitry ny Tanàna ny 14 avrily teo, tamin’ny alalan’ny filohany Atoa Benoro Christian.
Fantatra koa anefa izao fa nampiantso fivoriana tsy ara-potoana fahatelo indray ny filohan’ny filan-kevitra ny 26 avrily hatramin’ny 30 avrily 2021 teo. Mbola nodinihina nandritra ny lahadinika tamin’izany ny momba ny mpiasa sy ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny kaominina ary ny fampiasana ny volam-bahoaka azo avy amin’ny hetra samy hafa. Tonga avokoa ireo mpanolontsaina sivy mandrafitra izany filan-kevitra izany ao Fenoarivo atsinanana, ka nandritra izany no nanazavana ny tsy fandraisan’ny mpiasa ny karamany tao anatin’ny 12 volana, izany hoe hatramin’ny nametrahana sy naha-ben’ny Tanana an’Atoa Manirisoraly Stewen Miany tao tananan’i Fenerivo atsinanana.
Lanin’ireo mpanolotsaina ao anatin’ny fanapahana laharana 09/2021-CM/CUF/DEL ny 30 avrily izany tsy fahombiazam-pitantanana teo amin’ny ben’ny Tanana Fenerivo atsinanana izany. Vokatr`izany, mangataka ny fametrahana filohan’ny delegasionina manokana (Pds) ireo mpanolotsaina sivy ao an-toerana. Eo anefa dia tsy mety ny foto-dalàna nataon’ireto mpanolontsaina ao Fenerivo atsinanana ireto, satria raha ny lalàna dia misy aloha ny fangataham-panazavana amin’ny ben’ny Tanàna izay tokony ho valiany ao anatin’ny 48ora ao anatin’ilay fivoriana nangatahan’ny mpanolontsaina. Aorian’izany dia manapaka izy ireo amin’ny fangatahana fampiatoana ka manamarina izany ny prefektiora, ka ny governemanta no mandray fanapahana ny fampiatoana ilay ben’ny Tanàna.
Ankoatra izany, raha tontosa izany any an-toerana dia ity izany no ben’ny Tanàna faharoa nampiatoana tamin’ny asany tao Fenoarivo atsinanana. Fantatra koa izao, araka ny vaovao voaray hatrany, fa tena mivangongo avokoa ny fako ao an-toerana ankehitriny noho io tsy fahaiza-mitantan’ny ben’ny Tanàna io.
Malala Didier