Eo amin’ny tendrony avaratra andrefan’ny distrikan’i Vangaindrano no misy ny kaominina ambanivolo lhara. Ny zava-nahagaga tao amin’io tanàna io dia izay Ben’ny tanàna voafidy faramparany teo dia maty tampoka tao anatin’ny telo volana fanombohan’ny taom-piasany. Afaka roa taona latsaka kely dia navadika Pds ny nitondra ny asan’ny kaominina. Indrisy anefa fa tsy nandingana akory ny telo volana voalohany indray dia maty tampoka koa. Noho ny asa fampandrosoana ny kaominina tsy azo avela dia voatendry indray ny pds vaovao, ary napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 6 avrily lasa teo ka ny lefitry ny Ben’ny tanana no nametrahana izany andraikitra izany. Marihina fa ny Ben’ny tanana talohan’ilay maty voalohany dia efa niharan’ny lozam piarakodia ka tapaka ny tongony.
Randrianambiny roger