- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Madiromirafy : Rakotra ny adiam-balala kijeja ny tanimboly

Kaominina Madiromirafy : Rakotra ny adiam-balala kijeja ny tanimboly

Faritra maro any amin’ny kaominina Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no rakotra kijeja tamin’ny herinandro lasa teo. Tsy mbola nisy zavatra simba aloha nandritra ny fandalovan’izy ireo, saingy ahiana ny mety hahasimba ny voly any an-toerana raha hary elatra izy ireo. Efa tonga nampilaza ireo teknisiana misahana ny fambolena eto Maevatanàna ny ben’ny tanàna any an-toerana tamin’ny alatsianainy teo. Rehefa nahare ny zava-nisy makasika izany ireo tompon’andraikitra, dia tsy niandry ela fa nidina nalaky hihazo ny kaominina Madiromirafy handraraka fanafody mba hiarovana izany mety ho fiparitahan’ireo valala ireo, hoy hatrany ny fitantaran’ny ben’ny tanàna taminay.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici