- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominina Maevatanàna faharoa : Manao rodobe hanao valifaty ireo malaso

Kaominina Maevatanàna faharoa : Manao rodobe hanao valifaty ireo malaso

Misahotaka sy misitrika any naty akata ny mponina any amin’ny tanàna ampitandrefan’ Ikopa, mandositra dahalo hanao valifaty, noho ireo omby miisa 165, raraky ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fifandonana tany amin’ny tanàna atao hoe Antanifotsy Kaomadio, fokontany Mahatsinjo, any amin’ny kaominina Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny andron’ny alatsinainy faha 22 janoary lasa teo iny, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, nahafaty voatifitra an’ilay manamboninahitra zandary mitondra galona lietina sy nahalavo dahalo efa-dahy no aton’izany. Raha ny angom-baovao voarainay tamin’ny filoham-pokontany ao Androfiabe, kaominina Maevatanàna faharoa, dia nahazo antso » an-tariby na an-telefaonina, » tamin’ireo olona avy amin’ny kaominina rahavavy ny tenany, fa nisy nahatsikaritra ny fisian’ireo dahalo am-polo nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny  » Kalaky sy basim-borina,  » ary niainga avy any amin’ny kaominina Maria nihazo namakivaky ny fokontany Bokarano, kaominina Mahazomà izy ireo. Fa hanafika sy hanao valifaty ny tanànan’i Sarodrano, fokontany Marofototra sy fokontany Androfiabe, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, noho ny omby teo am-pelatanan’ireto farany sy ny dahalo namany efa-dahy maty no antony hiasian’izany, raha ny feo niely etsy sy eroa sy ny fanazavan’ny sefom-pikontany hatrany. Efa ho telo andro lasa tamin’iny herinandro teo iny no niparitahan’ny feo any an-toerana, izay hokasain’ny jiolahy hanafihana sy hanaovana valifaty. Hatreto dia efa niatrana marobe nanampy ireo namany sy hitandro ny filaminana eo amin’ny vahoaka ny zandary avy eto Maevatanàna, mba ho fisorohana mialoha sy hamerenana fandriam-pahalemna mampitebiteby ny mponina any ampitandrefan’ Ikopa. Marihina fa mbola tsy nahenoana feo sy fampitam-bavaova amin’ny mety hisian’ny fifandonana eo amin’ny roa tonta, indrindra ny fanafihana tanàna ataon’ny malaso. Hotaterina eto ihany ny fitrangan’ny zava-misy any amin’ny kaominina voalaza etsy aloha, raha sanatria ka misy izany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici