- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Moramanga : Miroso amin'ny fanadiovana ny fifamoivoizana

Kaominina Moramanga : Miroso amin’ny fanadiovana ny fifamoivoizana

Posy 10 isan’andro no voatazona vonjimaika eo anivon’ny polisy monisipaly noho ny tsy fanarahan-dalàna misy eo amin’ireo mpitarika azy. Nialoha ny fandraisana izao fepetra izao dia efa nisy ny fiofanana mahakasika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dalam-be sy ny tokony hatao rehefa miasa ho amin’ny fitaterana. Nandritra ny fiofanana no nanomezana azy ireo ny toromarika fa tsy maintsy entina ny karatra famantarana navoakan’ny kaominina sy ny taratasy momba ilay posy. Tsy nahitana ireo rehetra ireo anefa ny ankamaroany taty aoriana ka nahatonga izao fanadiovana izao. Nandritra ny fihaonan’ny Dr Willy Rakotonaivo, lefitry ny ben’ny tanàna voalohany, tamin’ny mpanao gazety ny zoma 20 janoary 2017 no nanambarany fa rehafa vita ny fanadiovana eo amin’ireo mpitondra posy, izay mandritra ny tapa-bolana, dia hiroso amin’ny fizaham-pahasalamana indray izy ireo, satria tafiditra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitateram-bahoaka izany. Manodidina ny 900 ireo posy miasa eto Moramanga renivohitra, izay isan’ny miteraka ny fikorontanan’ny fifamoivoizana. Anisan’ny ezaka hataon’ny kaominina manaraka ny fanamboarana ireo lalan-dratsy rehetra eto an-drenivohitra izay anaovany antso avo amin’ireo mpiara miombona antoka rehetra hanao tan-tsoroka.

                                                                                                                                                                                     CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici