- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Ranomafana (Ambolo) : Sivy volana tsy nandray karama ireo mpiasa

Kaominina Ranomafana (Ambolo) : Sivy volana tsy nandray karama ireo mpiasa

Ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka amin’izao fotoana ireo mpiasan’ny kaominina ambanivolon’i Ranomafana (Ambolo) lemaky Manampanihy any amin’ny distrikan’i Fort Dauphin amin’izao fotoana izao. Raha ny vaovao voaray dia misedra olana tanteraka eo amin’ny lafin’ny ara-bola ity kaominina ity. Tsy ampy mantsy araka izany, ny enti-manana sy ny fidiram-bola, ka tsy ahafahana manodidina tanteraka ny lafiny ara-bola ao amin’ity kaominina. Vokatr’izany tsy fahampiana izany dia mpiasa maherin’ny 20 any ho any ho tsy mbola nandray ny karamany hatreto. Raha ny fantatra hatrany dia efa naharitra sivy volana teo izay tsy fandraisan-karaman’ireo mpiasa. Hany ka tsy hita anaty birao intsony ny sasantsasany amin’izy ireo satria dia mandeha mitady vola any an-kafa. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ihany koa ny fampandehan-draharaha any an-toerana. Voalaza moa fa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny eo am-pelantanana ny nahatonga io tsy fahampiana goavana io, manginy fotsiny ny tsy fisian’ny vola miditra. Tsy ity kaominina ity irery fotsiny anefa fa saika ireo kaominina ao amin’ity distrika iray ity. Miraviravy tanana araka izany ireo mponina satria tsy misy ny fampandrosoana, ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana.

RFa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser