Tratra teo am-panasinana ny moara fampiasany rehefa hanao asa fampihorohoroana ity jiolahy iray. Mbola nidoroka zavamahadomelina tao Sahaniony izy mialoha ny hanafihany ny tanànan’i Sahambala. Efa natory teny antsaha ireo mponina tao amin’ity tanàna ity noho ny fampihorohoroana isan-kalina ataon’ireo jiolahy valo. Manampy trotraka izany ny tahotry ny olona ny amin’ny fampiasan’ireo jiolahy fanafody mahery. Efa tao anatin’ny roa volana izay no nisian’ny firongatry ny asan-jiolahy tao amin’ity kaominina ambanivohitra ity. Ireo tokantrano vao avy nidiram-bola be hatrany no lasibatra amin’izany. Farany teo, tokantrano misy olona telo mianaka ny nahazoan’ireto andian-jiolahy ireto vola 3 tapitrisa. Tsy vitan’izany, firain’izy ireo amin’ny antsy ny vatan-dehilahy, ny rainy sy ny zanany. Etsy andaniny ilay renim-pianakaviana dia voaolana. Mbola nofiraina antsy ihany koa teo amin’ny tongony. Voatery nitsabo tena teny amin’ny hopitaly mihitsy ity farany noho ny fahavoazana nahazo azy. Noho izy ireo tsy misarontava dia fantatry ny tompontrano fa olona eny amin’ny manodidina ihany izy ireo. Efadahy no tratra avy hatrany rehefa nokarohin’ny zandary ao Toamasina. Ilay lehiben’izy ireo ihany koa no nanoro ireo namany hafa tao amin’ny tanàna atao hoe Ambodirafia. Marihina fa ny roa tamin’ireto andian-jiolahy ireo dia efa avy niditra amponja. Izao dia miverina amin’ny asa ratsy fanaony izao. Natolotra ny fitsarana ireto andian-jiolahy, mpamiravira olona ireto no sady mangalatra.
Jean – Claude STEVE