Izay vao tena raikitra ny ady eo amin’ny samy Mapar ao amin’ny kaominina ambonivohitry Toamasina. Izany dia vokatry ny fitoriana nataon’ireo mpanlontsaina ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysé sy ny lefiny faharoa Ricky Dinh-Van pagny ary ny talen’ny fitantanam-bolan’ny kaominina, noho ny resaka fanodinkodinam-bola sy ny resaka kolikoly be misy eo anivon’ny kaominina.
Taorian’ny fiakaran’izy telo lahy teo anivon’ny polisy misahana ny raharaha heloka ara-bola eto Toamasina, sy ny fahatongavan’ny Bianco nanao fanadiadiana teo anivon’ny kaominina, izay samy nitranga ny zoma teo avokoa, dia nandray fanapahana nisara-dàlana tamin’ny tanan-kavanany sy olona atokisany ingahy ben’ny Tanàna, tamin’ny alàlan’ny fanapahana nosiniavin’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Rakotomalala Georges laharana 1429/17/SG/CU-TOA, ka nanaisotra an’ingahy Ricky Dinh-Van Pagny tsy ho lefitra voalohan’ny ben’ny Tanàna intsony.
Tsy lavitra ny fonja. Nampisy romoromo eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ity raharaha ity satria manomboka niaka-peo ireo ekipa sy ireo mpahita tombotsoa aminy eo anivon’ny kaominina, ka milaza ny tsy hanaiky sy hamoaka tsiambaratelo ny “tena zava-misy marina” eo anivon’ny kaominina, sy ireo antony nahatonga ity lefitra voalohany ity tafiditra amin’ity raharaha ity. Raha ny zava-misy anefa dia tsy lavitra ity lefitra voalohany ity intsony ny fonja, noho ireo fitoriana mahazo azy noho resaka tany sy vola na solika ary ny resaka karama tsy voarain’ny tompony.
Ankoatra izay dia tsy ity raharaha mandeha fanadiadiana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka ara-bola sy ady amin’ny kolikoly, sy ny fanadiadian’ny Bianco, ihany no manenjika azy izao; fa eo koa ireo antontan-taratasy maromaro efa-taona lasa izay manenjika azy efa eny amin’ny mpitsara misahana ny ady amin’ny kolikoly eto Toamasina; izay mbola resaka tanin’ny kaominina ihany no voarakitra ao anatiny araka ny angom-baovao natao, na sarotra aza ny fikarohana izany…
Malala Didier