- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Toamasina ambonivohitra : Mivory tsy ara-potoana ireo mpanolontsaina…

Kaominina Toamasina ambonivohitra : Mivory tsy ara-potoana ireo mpanolontsaina…

Araka ny fangatahan’ny ben’ny tananan’i Toamasina ambonivohitra dia mivory telo andro ireo mpanolontsain’ny kaominina 19 mianadahy. Ity ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa tamin’ity taona ity entina hanapahana ireo asa maika mila alalana avy amin’ny mpanontsaina. Isany fangatahana nataon’ny ben’ny Tanana ao anatiny fangatahana fivoriana tsy ara-potoana izao ny fanokafan-dalana izay efa mandeha ankehitriny noho ny fanajana ny “plan d’urbanisme” eo anivon’ny kaominin’I Toamasina renivohitra. Eo koa ny fangatahana alalana avy amin’ny mpanolontsaina ahafahana mandrodana ireo trano na fefy tsy manara-dalana ataon’ny olona eny amin’ny fokontany ; ary ny tena goavana dia ny famerenana ireo “espace vert” tapitra namidin’ny mpanolontsainan’ny Tanana teo aloha teto Toamasina. Eto amin’ity farany no tena olana satria maro no efa nahavitan’olona trano na fivarotana eo amboniny, ka ho maro indray izany ny trano ho raha tanteraka ny famerenana ireo “espace vert” ireo amin’ny kaominina. Tapitra androany zoma ny fivoriana ary handrasana izay fanapahana ho raisin’ireto mpanolontsaina araka ny fangatahan’ny mpanatanterakan’ny kaominina. Ankilan’izany dia mitohy hatrany ny fanokafan-dalana miaraka amin’ny sampana mpamonjy voina sy haitrano eto Toamasina ataon’ny ekipan’ny kaominina ankehitriny. Tao Morarano p/elle 21/15 ny fanitaran-dalana ataon’ny kaominina amin’izao, ary efa nilaza ny ben’ny Tanana fa tsy hananan-kavana ny fanokafan-dalana sy fanarahana ny “plan d’urbanisme” eto Toamasina, noho ny tombontsoan’ny be sy ny maro amin’ny loza mety mitranga eto Toamasina isam-pokontany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici