- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Toamasina : Mandroso ny fanamboaran-dalana

Kaominina Toamasina : Mandroso ny fanamboaran-dalana

Nijery ny firoson’ny fanamboaran-dalana ataon’ny orinasa SMCC eto Toamasina ny ben’ny Tanana Atoa Rakotonirina Nantenaina Herilala sy ireo mpiara-miasa aminy. Isan’ny asa nojerena tamin’izany ny asa mandeha ao amin’ny tetezan’i Tanamakoa, izay isian’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny orinasa mpanamboatra loko S2PC. Nolokoin’ny orinasa S2PC ny tetezana mba hahazo endrika vaovao sy hanakanana ny tsy fanarian’olona fako intsony ao ambany tetezana. Efa manomboka feno fako raha teo ny fanambanin’ny tetezana rehetra eto Toamasina vokatra izany fanariana fako ataon’ny mpiara-monina izany. Hisy raha teo fananganana komity hanara-maso izany fanariana fako ambany tetezana izany, ka ireo mponina manodidina ihany no misahana izany, ka izay tratra dia hiaran’ny sazy henjana hoy ny ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala. Efa manomboka ihany koa fametrahana ny marika amin’ny arabe ho an’ireo mpandeha an-tongotra, natao izay hisorohana ny firimorimon’ny moto sy ny tuc-tuc ary ny fiara ka mety hamono olona. Nisy koa taorian’izany ny fijerena ny asa ataon’ny orinasa SMCC eo amin’ny boulevard de l’OUA, izay nilazan’ny ben’ny Tanana fa tsy maintsy atao manaram-penitra ny fanamboarana na fanampenan-davaka samy hafa aza no atao mandritra izany. Ankoatra izay dia nasian’ny ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala, ny fanatsarana entin’ny kaominina amin’ny soram-piankohonana ao aminy. Hisy ny fahazoana fitaovana vaovao avy amin’ny fanjakana foibe ho an’ny kaominina hanatsarana ny soram-piankohonana ato ho ato, ka amporosihan’ny ben’ny Tanana ny olona ny hanoratra ny zanany ao anatin’ny soram-pihankohonana, mba tena ho isan’ny vahoaka marina izy ireny. Marina fa boky be efa ratsy sy rovitra no misy anaovana ny asa ka mahatonga ny asa mampanano sarotra indraindray, amin’ireto fitaovana ho avy ireo dia tsy boky intsony no anaovana izany fa solosaina no hiteririzana ireo soram-piankohonana ny olona mba tsy hampanano sarotra intsony famoahana izany manomboka izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici