Nanova fomba fiasa ny kaominin’i Toamasina tato ho ato mba hitilian’izy ireo ny mpiasa matoatoa efa nampiaiky ny kaominina eo amin’ny fampiasana sy ny fandoavana karama ho azy ireo tao ho ao izay. Natao am-pahibemaso ny fizarana ny taratasy ahafahana maka vola eny anivon’ny tahirimbolam-panjakana, ka teo no nahitana fa efa misy mpiasa maty, mpiasa mifonja, mpiasa efa misotro ronono ara-dalana ary tsy mpiasa akory mbola mandray karama eo anivon’ny kaominina hatrany teo aloha. Raha efa nozaraina roa herinandro lasa ny karaman’ireo mpiasa raikitra, dia natao ny alarobia teo kosa ny fizarana ny karaman’ireo mpiasa an-tselika. Natao izay fitiliana mpiasa matoatoa eo anivon’ny kaominina izao mba hahafahana mifehy ny vola mivoaka eo anivon’ny kaominina isam-bolana, izay tena mihoapampana, nefa ny mpiasa miasa isan’andro mihavitsy. Nampirisihan’ny filohan’ny delagasionina manokana hitoroka ireo mpiasa mandray karama nefa tsy miasa akory isaky ny departemanta tamin’ireo mpiasa tena miasa ny PDS. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa izao fa mpiasa matoatoa miisa 15 no tsikaritra teo anivon’ny ivontoerana misahana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena (CRJS) tamin’ny fitiliana nataon’izy ireo tao ho ao izay.
Malala Didier