- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Toamasina : Raikitra indray ny sakoroka tamin’ireo “gros bras” sy ireo...

Kaominina Toamasina : Raikitra indray ny sakoroka tamin’ireo “gros bras” sy ireo mpiasa mitokona

“Vao tonga toy ny fanaonay isan’andro izahay, dia mpiasa manao fitokonana milamina maka ny sisin’ny lapan’ny tanana toy ny fanaon’izy ireo no hitanay…”, izay no nambaran’ireo mpitandro ny filaminana tonga isan’andro eo amin’ny lapan’ny tanana omaly, natao hametraka ny filaminana eo taorin’ilay sakoroka teo aloha tamin’ireo mpiasa sy “gros bras” ka naharatrana olona maromaro.

Fiara mpamonjy hain-trano. Tsy nanampo na inona na inona ny rehetra, fa tonga dia ny ben’ny tanana mihitsy no nivoaka ny biraony nitondra ireo “gros bras”-ny nidina nandroaka ireo mpiasa mitokona, niaraka tamin’izay no tonga ihany koa ilay fiara mpamonjy voina sy hain-trano nafarany. Teo no raikitra ny sakoroka teo amin’ireo “gros bras” sy ireo mpiasa mitokona, mpiasa iray kilemaina no naratra raha roa kosa ireo “gros bras” naratra tamin’ny lohany. Raikitra nanomboka teo ihany koa ny fanondrahana rano ireo mpiasa, izay mbola ireo “gros bras” hatrany no nandray ny fantsona, raha niala tsy nanaiky nanao izany ireo mpiasan’ny mpamonjy hain-trano. Tao anatin’izay raha nikasa ny hanapoaka gazy lakrimozena hanaparitahana olona ny zandary, dia nihitsoka ny basy fandefasana azy ka najanona.

Mpivarotra amoron-dranomasina. Raha samy nitsabo ny naratra teo aminy avy ireo mpiasa mitokona sy ireo “gros bras”-n’ny ben’ny tanana, dia tonga ihany koa ireo mpivarotra marobe noroahina teny amoron-dranomasina araka ny fandaharana’asan’ny ben’ny tanana amin’ny fanadiovana ny moron-dranomasina. Raikitra indray ihany koa ny fitsofana kiririoka sy ny ny horakoraka milaza ny hoe “Elysée dégagé”. Nandefa solontena nihaona tamin’ny ben’ny tanana moa ireto mpivarotra teny amoron-dranomasina ireto, saingy tsy mbola niakatra ny tohatry ny lapan’ny tanana akory dia voasakan’ireo “gros bras” mpiandry ny varavaran’ny kaominina ary tsy afa-niresaka tamin’ny ben’ny tanana.

Tsy misy ny fisamborana nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’izao sakoroka izao, na teo ambany mason’izy ireo aza no midaroka mpiasa mitokona amin’ny hazo ireo “gros bras”, sy hitan’izy ireo tsara aza raha manao ady farimbona amina mpiasa vavy mitokona ihany koa ireo ekipan’ny ben’ny tanana. Raha ny zava-nisy omaly, dia mbola ahiana ny hiverenany anio ao amin’ny lapan’ny Tanana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici