Feno herinandro ny naha-filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ny kaominin’i Toamasina azy telo mianadahy ; izay tarihan’Atoa Razafimanana Jean Christain. Nandritra izay herinandro izay anefa, dia maro ny zavatra sy ny zavatra re tao anatin’ny fanadihadiana natao teo anivon’ny kaominina Toamasina renivohitra.
Ny tena goavana tamin’izany ny fahalalana izao, fa tsy hita avokoa ireo antontan-taratasy saro-pady nalefan’ny mpanjifa sy ny fanjakana ary ireo mpiara-miombona antoka tamin’ny ben’ny tanana naato sy teo anivon’ny kaominina. Nanamarina izany ny tsy nahitana na tamingana antontan-taratasy iray aza tao amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna naato nandritra ny fidiran’ny vadintany ny biraony. Maro amin’ireo antontan-taratasy ireo araka ny vaovao momba ny resa-bola sy resaka tany ary fanorenan-trano. Tsy izay ihany anefa no tsy hita tao amin’ny kaominin’i Toamasina I ity, fa teo koa ny fanjavonan’ireo « disque dur » na solosaina maromaro indrindra, fa ireo tena miasa. Isan’izany ny solosaina eo anivon’ny tale misahana ny fitantanam-bolan’ny kaominina ; izay mirakitra ny vola miditra sy ny mivoaka ary ny trosa ; ny teo anivon’ny tale misahana ny mpiasa; ary ny teo anivon’ny tale misahana ny tetikasa sy fiaraha-miasan’ny kaominina. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika izany, efa voarakitra tao anatin’ny tatitra nataon’ny vadintany ihany koa izay nanao ny fanaraha-maso talohan’ny fandraisan’ireo PDS ny asany.
Na eo aza izany olana sedrain’ireto PDS telo mianadahy vao notendren’ny minisiteran’ny atitany eto Toamasina ireto izao, dia mandeha ihany ny asan’izy ireo araka ny iraka nampanaovina azy ireo. Eo ny fanadiovana ny tanàna ka isan’izany ny fanalana ireo fako niavosa tsy nisy mpanala hatramin’izay ka efa lasa tendrombohitra kely mihitsy amin’ireo tsena goavana, ka tena voamafy tamin’izany ny tao Bazary kely. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny jirama amin’ny fanazavana ny tanàna, satria efa vonona izao ny takamoa 150 hapetraka amin’ireo fokontany voasokajy ho mena amin’ny tsy filaminana aloha eto Toamasina. Fantatra ihany koa izao, fa efa nandray ny karamany volana aprily ny mpiasa, eo am-pikarakarana ny karama tsy azo tao anatin’ny volana maro.
Malala Didier