Niverina tao amin’ny kaominina Vohitranivona, distrikan’i Brickaville, ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny fambolena ireo zanakazo 2.000 tamin’ny tany 2ha. Nisy tamin’ireo zanakazo no kininina, niisa 1.000. Teo amin’ny 500 avy kosa ny hintsina sy ny bonara. Nitombo ny novelen’ny mpiasan’ny Spat tamin’izao satria raha tamin’ny volana jona nandritra ny andro eran-tany ny tontolo iainana, dia zanakazo 1.000 no novelana tamin’ny tany 1ha, mbola tao amin’ny kaominina ity ihany. Nambaran’ny solontenan’ny mpiasa izay misahana ny ara-tsosialy eo anivon’ny Spat, fa manana tanjona tratrarina araka ny fanapahan-kevitra navoakan’ny fanjakana ny orinasa Spat, dia ilay fambolena zanakazo 5.000 isan-taona. Efa tratra ny tanjona, hoy ny mpiasa, nefa tsy manakana azy ireo mbola hanohy izany, ka afaka 3 volana indray dia hiverina amin’ity toerana ao amin’ny kaominina Vohitranivona Brickaville ity ireto mpiasa hanatontosa ny andraikiny. Nambaran’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Brickaville fa ilaina ny fahaizan’ireo mpanao arina mifidy ny hazo hanaovana izany, fa tsy ireo rantsan-kazo vao tanora no ampiasaina. Hanara-maso izany ny depiote sy ireo tompon’andraikitry ny tontolo iainana, hisorohana ny fanimbana ny ala tanora eto amintsika. Ankoatra ny ao Vohitranivona dia manana tany fambolena zanakazo hafa koa izy ireo dia ny ao Ivoloina sy ireo sekoly mangataka aminy hanaovana izany, tahaka ny natao tao amin’ny sekoly tao Toamasina II amin’ny fambolena zanakazo fihinamboa.
Malala Didier