Ny zoma 25 janoary hariva teo tao amin’ny Fenerivo Atsinanana, dia hatairana ny an’ny olona nahita ity tovolahy 14 taona matin’ny herinaratra, teo amin’ny fefin’ny paositra izay misy ihany koa ny fonenan’ny “receveur” –n’ny paositra . Raha ny fanazavana, dia nitady ny akohon’izy ireo tsy hita ity tovolahy ity tamin’io zoma hariva io, ka teo am-pianihana ilay fefy izy satria heveriny fa tao ambon’ilay manga no nisy azy kinanjo nisy herinaratra ilay fefy nohazoniny nefa tsy nisy filazana ny fisian’izany ilay izy ka tsy fantatry ny olona. Noho io tsy fananan’ilay “receveur” ny paositra izay tompo-marika nanao izany herinaratra tamin’ny fefy alàlana manao izany, dia niakatra ny hafanan’ny olona manodidina sy ny fianakavian’ilay ankizilahy 14 taona maty. Nitaky ny hivoahan’ilay tompon-trano hovonoina amin’ny herinaratra nataony tamin’ny fefiny io izy ireo, niaraka tamin’izany ny tora-bato , saingy nisy hirika nitsoahana ihany izy mianakavy ka niantso mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha. Lasa tànana haolo ny manodidina ny paositra ao Fenerivo Atsinanana. Ny sabotsy 25 janoary teo no nentina nankany Fianarantsoa tanindrazany ilay ankizilahy 14 taona maty, ka nanome fotoana aorian’ny fandevenana ny mpiara-monina sy ny fianakavian’ny maty amin’izay ho tohin’ny raharaha nahafaty ny havan’izy ireo.
Malala Didier