- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominin’i Mangabe Sahananto Toamasina II : Mpivady efa nisaraka herintaona, hita faty...

Kaominin’i Mangabe Sahananto Toamasina II : Mpivady efa nisaraka herintaona, hita faty tao an-tranon-drangahy…

Mistery amin’ny mpanao fanadihadiana ny zava-nitranga tao amin’ny kaominin’i Mangabe Sahananto, ny voalohan’ny volana may nifoha ny roa may teo. Mpivady efa nisaraka herintaona mantsy no hita faty niaraka tao an-tranon-drangahy vadiny teo aloha ity. Raha ny vaovao voangona avy any an-toerana, dia tonga namonjy fety tao Mangabe ilay vehivavy vadiny teo aloha ka nifanena tamin’ilay rangahy. Noho naha-mpifankatia azy ireo teo aloha dia nanasa azy mba ho tonga hitsidika azy any an-tranony ilay rangahy, ary tsy nandà izany ilay ramatoa. Gaga anefa ireo mpiara-monina tamin’ilay rangahy fa tsy nety nivoaka ny trano ary tsy nety nivoha ny varavarana tao amin’ilay lehilahy, nefa ilay trano mihidy avy any anatiny. Niezaka nandondona ihany ny manodidina sao resin-tory ny tao an-trano, saingy tsy nisy namaly mihitsy. Vokatr’izany dia voatery nandray fepetra namaky ny varavaran’ny trano ireo fokonolona hamantarana ny zava-nisy tao, saingy vao nisokatra ny trano dia vatana mangatsiaka roa be izao ny tao an-trano. Ilay rangahy naratra ny teo amin’ny kibony sy mifatotra ny tendany, ilay ramatoa kosa nitsirara nihosin-drà teo amin’ny gorodona. Mifamahofaho ny raharaha ankehitriny satria misy ny milaza fa novoim-badiny ilay ramtoa vao namono tena ilay rangahy. Nefa ao koa no mahita fa nisy namono izy roa ireto nandritra ny alina mangina tao Mangabe Sahananto. Misokatra ny fanadiadiana ataon’ny zandary mikasika ny raharaha, mba hamaritana izay mety ho nahavanona ny famonoana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici