Maty nananton-tena tamin’ny tady teo amina fototra ampalibe teo an-tokontaniny ihany ity tovolahy 16 taona mpianatra kilasy faha-04 ao amin’ny CEG any an-toerana. Mponina ao Mangarivotra Maroantsetra izy ireo ary miara-mipetraka amin’ny rainy izy sy ny anabaviny. Talohan’io namonoany tena io araka ny fanazavan’ny namany sy ny manodidina dia avy nifamaly be izy sy ny rainy. Ny fialan’izy mianadahy mianatra hatrany no mampiady azy sy ny rainy mandritra izany, satria hoe tsy velon’ny rain’izy ireo intsony izy mianadahy ka tokony efa hitady asa amin’izay. Taorian’ny fifamalian’izy ireo noho fitakian’ny rain’izy ireo amin’ny fialana mianatra ity, dia niala tao an-trano izy mianadahy satria noroahin’ny rain’izy ireo nandritra izany ny alarobia io. Hagagana ny an’ny mpiray Tanana ny maraina ny alakamisy nahita ity tovolahy 16 taona antsoina hoe Nono ity nihantona tamin’ny tady teo amin’ity fitotra ampalibe ity. efa tovolahy tsy nisy aina intsony no hita, ary nataon’ny mpitsabo ny fizahana ny razana dia tena famonoan-tena no nataony ary ny alina ny alarobia nifoha ny alakamisy manontolo izy no efa nihantona teo. An-kevitry ny tsy nanana fianakaviana handray azy no anton’izao famonoan-tena izao taorian’ny fandroahan’ny rain’izy ireo azy mianadahy, satria hatramin’izao dia tsy hita popoka ny misy ny anabavin’ity tovolahy ity.
Malala Didier