- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Maroantsetra : Resaka fananam-bola an-tanana, tovolahy iray niharan’ny habibiana

Kaominin’i Maroantsetra : Resaka fananam-bola an-tanana, tovolahy iray niharan’ny habibiana

Efa tena very tanteraka ny soatovina Malagasy noho ity rehareha amin’ny fananam-bola sy fahafantarana “olona ambony” ity ho an’ny olona sasany, hany ka tsy jerena intsony ny “rariny” sy ny “marina” ary ny “hitsiny” amin’ny tokony atao amin’ny fiainana. Tovolahy iray okony ho 25 taona mpivarotra mofo sy kafe amoron-dalana ao Maroantsetra no niharan’ny habibian’ity rangahy iray milaza ho mpanam-bola an-tanana sy mahalala olona. Raha ny fandehan’ny tantara araka ny fanazavana azo avy any an-toerana satria maro ny ontsa nahita ny zava-nisy, dia teo am-pivarotana ity tovolahy ity no nandalo ny ombin’ilay rangahy manam-bola any an-toerana ity. Masiaka ity omby ity ka raha niaro tena nanatopaka rano mafana ilay omby saika hanoto azy ilay tovolahy no hitan’ny mpiambina ilay omby izany dia nampialaza ny tompon’omby izy ka tsy ohatra izay dia tonga teo amin’ilay tovolahy mpivarotra amoron-dalana ny tompon’omby sy ny fiara tsy mataho-dalana nentiny ary nanomboka teo ny zava-niseho rehetra. Tsy nisy ny fanazavana azo natao fa avy hatrany dia nasain’ilay tompon’omby nofatorana ny gongotra aman-tanan’ilay tovolahy ary natsipy tao afaran’ilay fiara tsy mataho-dalana ary nentina tany an-tranon’iilay tompon’omby avy hatrany. Vao naheno ny zava-nisy ny zokin’ilay tovolahy mpivarotra amoron-dalana ity dia avy hatrany nanara-dia saingy ny zandriny mifatotra ambodihazo no hitany tao amin’ity tompon’omby milaza azy ho mpanam-bola an-tanana ity. vao tonga nangata-panazavana anefa ilay zokiny dia safidy efatra no nataon’ilay tompon’omby taminy, dia ny hoe na mandoa volana izy ireo, na vidian’izy ireo ny omby, na ho entina any polisy ho gadraina ilay zandriolona, ary farany na topasany ranomafana tahaka ny nataon’ny zandriny ilay omby ny ataon’ny zokiny. Tsy nanan-tsafidy ilay zokiny noho ny tsy fananana vola sy tahotry ny zandriny higadra, ka nisafidy ilay hanopaka ranomafana ny zandriny izay ny tompon’omby ihany no namana izany tao aminy. Vao vita ilay fanopahana ranomafana ny lamosin’ny zandriny izay tena nitsovaka avy hatrany dia navelan’ilay tompon’omby nandeha izy mirahalahy. Na izany dia nitory ireto mpirahalahy tamin’ny nahazo azy, nitory koa ilay tompon’ny omby ka teny amin’ny zandary avy no napetraka ny fitoriana. Nahatsapa ny fahadisoany ilay tompon’ny omby ka niezaka nanonitrany ratsy vitany tamin’ny fanomezana vola telo hetsy ariary azy mirahalahy. Raha vao naheno ny raharaha ny tonia mpampanoa lalana ao Maroantsetra dia nilaza tamin’ny zandary fa tsy maintsy vitaina anio alatsinainy ny fanadiadiana ny raharaha ary haterina eo aminy, fa tsy azo ekena ny habibiana amin’ny filazana ho fananam-bola tahaka izao, satria ain’olona no resahina fa tsy ain’izay omby tsy naninona izany mihintsy. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha anio satria manomboka miakatra koa ny feo amin’ny fiaraha-monina ao Maroantsetra mikasika ity raharaha ity sy reharehan’ity tompon’omby milaza azy ho mpanam-bola ity ka manao ny ain’olona tsy misy vidiny sy tsy misy dikany izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici