Mitaky ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanana ao aminy ny vahoaka ao amin’ny kaominin’i Masomeloka, araka ny didy navoakan’ny fitsarana tao Antananarivo. Nandritra ny fifidianana teo aloha anefa dia ny laharana voalohany Atoa Farouk Sulleman Mulla izay nahazo isam-bato 2.991 amin’ny salan’isa 48,57% no lanin’ny vahoaka; nefa nitsibadika izany vao niakatra fitsarana miady amin’ny fanjakana Toamasina izay mitsara ny fifidianana ben’ny Tanana, ka lasa Rtoa Vavisoa Line laharana faha-04 avy amin’ny IRK indray no lany tamin’ny vato 2.099 salan’isa 34,09% nivoaka. Nanomboka teo ny disadisa rehetra.
Nanomboka teo ny disadisa teo amin’ity ben’ny Tanana lanim-bahoaka ity sy ny vahoaka ary ity ramatoa nolanian’ny fitsarana ho ben’ny Tanana ao Masomeloka ity. Nisy ny fidinan’ny vahoaka mpanohana ny ben’ny Tanana tena lany ara-dalana an-dalam-be nitondra sora-baventy nilaza ny tsy faneken’izy ireo ny didy nivoaka. Tao anatin’izay anefa dia nametraka fampiakarana ny raha teo anivon’ny “conseil d’Etat” ilay ben’ny Tanana milaza ho lany. Nivoaka ny didy nataon’ny fitsarana ity ny 15 fébroary 2021 mitondra ny larahana 34 EL, izay nanafoana ny didy rehetra navoakan’ny fitsarana teto Toamasina laharana 72 sy ny laharana 112. Vao naharay izany ny ben’ny Tanana IRK Vavisoa Line dia niato tamin’ny asany avy hatrany, ka hatramin’izao ny fifidianana izay nambaran’ny fitsarana tao Antananarivo averina tsy mbola natao, ny filohan’ny delegasionina manokana tokony hapetraky ny fanjakana tsy mbola tafapetraka enim-bolana aty aorian’ny didy nivoaka.
Ankoatra izay dia efa nanaitra ny ministera ny atitany ny vahoaka tany Masomeloka ny 05 may 2021 lasa, nefa hatramin’izao tsy rototra ny ministera amin’izany, ka tsy manana ben’ny Tanana afaka ampandroso azy ny ao Masomeloka hatramin’izao. Nisy koa ny fametrahana ilay fitarainana teo anivon’ny KMF-CNOE sy ny BIANCO ny 25 jona lasa teo fa tsy mbola misy tohiny hatrany ny raharaha. Tsy ny kaominina ao Masomeloka ihany no hiaran’izao tsy fisiana ben’ny Tanana ao aminy izao, fa maro ireo kaominina ambonivohitra na ambanivohitra tsy nahavita izany raha nasain’ny fitsarana naverina izy ireny.
Malala Didier