- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina : Nametra-pialana ny filohan’ny mpanolotsaina

Kaominin’i Toamasina : Nametra-pialana ny filohan’ny mpanolotsaina

Tsy nisy nanam-po ireo mpanolotsain’ny tanana sy ireo teo anivon’ny kaominina tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny mpanolotsaina Rakotoarivelo Solofo Ginah, ny talata 20 febroary, tamin’ny fanambarany ny fametraham-pialany amin’ny maha-filoha azy. Isan’ny antony goavana amin’izany ny famarotana ireo tanin’ny kaominina hanaovana taratasy hosoka, tahaka ny famarotana ny tany “Tanambao V” TF 641-BA mirefy 186,95m2 izay namidin’ny kaominina 560.000 ariary tamin’ny 3.000 ariary ny m2. nolazaina fa ny fanapahana laharana faha-003 nataon’ny mpanolotsaina no namarotana azy io, nefa tao anatin’io fanapahana io, rah any tena izy, dia tsy nisy afa-tsy ny fandaniana ny fanajariana toeram-pivarotana zava-pisotro nataon’ny fikambanana FVFM eny amoron-dranomasina ihany. Eo koa ny tsy fanaovana laharam-pahamehana ny karaman’ny mpiasa , efa ho enim-bolana ny an’ny mpiasa an-tselika ary roa volana ny an’ny mpiasa raikitra no tsy voaloa. Tsy fanatanterahana didim-pitsarana maharesy azy, fa vao mainka manatontosa izany amin’ny fampiasana hery raha sendra mba mandresy. Ny fitomboan’ny vola lany amin’ny solika izay nahatratra 450 tapitrisa ariary ny taona lasa, ary mahatratra 646 tapitrisa ariary amin’ity taona ity, nefa ny fako tsy afaka, ny tanana maloto miteraka aretina. Tsy vitan’ireo ihany fa mahita ity filohan’ny mpanolotsain’ny tanana teo aloha ity, fa mody fanina amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly ataon’ny kaominin’i Toamasina ny fanjakana, nefa mahira-tsaina raha kaominina hafa no manao izany, nefa efa maro ny antontan-taratasy miaraka amin’ireo porofo napetraka teo anivon’izy ireo. Eo koa ny tsy fanatanterahana ny fampiatoana nataon’ny mpanolotsaina maro an’isa ny ben’ny tanana. Vokatr’ireo rehetra ireo dia izao fametraham-pialana tsy ho filohan’ny mpanolotsain’ny tanana izao no nataony, ary miantso ny vahoakan’i Toamasina izy ho sahy hijoro.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici