- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Anio alakamisy 16 janoary vao vonona hanao famindram-pitantanana ny...

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Anio alakamisy 16 janoary vao vonona hanao famindram-pitantanana ny Pds

Efa saika raikitra ny fitokonana teo anivon’ny kaominin’i Toamasina tamin’ity herinandro ity, satria manahy ny ho aviny sy ny karamany tsy ho azo indray izy ireo, tahaka ny nitranga tamin’ny ben’ny Tanana teo aloha tamin’ny vao nandray ny toerany ka namela ho very maina ny karaman’ny mpiasa tamin’ny Pds teo alohany tsy voaloa tamin’izany. Vokatr’io ahiahin’ ny mpiasa io dia niezaka ny namaha ny olana teo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana amin’ny fahazoan’ny mpiasa karama aloha ny Pds-n’ny kaominina amin’izao Atoa Razafimanana Jean Christin, ka anio vao nanaiky hanao ny famindram-pitantanana ny tenany araka ny fangatahan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ary ny prefektiora hitarika ny lanonana. “Tiako hilamina ny karaman’ny mpiasa izay fampanantenako azy ireo raha vao napetraka ho Pds ny tenako sy ny ekipako, izay no nahatonga anay niezaka ny nandoa ireo karama tsy voaloa teo aloha rehetra”, hoy ny Pds Razafimanana Jean Christin. Ankoatra izay anefa dia mitaky amin’ny ben’ny tanàna vaovao Rakotonirina Nantenaina Herilala ny mpiasa sy ny vahoakan’i Toamasina, mba tsy hiara-kiasa amin’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina nanapotika ny tananan’i Toamasina, sy nanapotika ny fiainan’ny mpiasan’ny kaominina, ary nanapotika ny maha-kapitaly ekonomika tamin’ny fanaovana kolikoly avo lenta, ny ben’ny tanana vaovao. Raha ny angom-baovao natao dia mety hiafara amin’ny fitokonan’ny mpiasa sy ny vahoaka ny mbola fisian’izany aorian’ny alakamisy 16 janoary 2020 izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici