- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Hanaovan’ny « IGE » fanadihadiana ny fanodinkodinam-bola ao...

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Hanaovan’ny « IGE » fanadihadiana ny fanodinkodinam-bola ao aminy

Raha ny tantaran’ny kaominina ambonivohitra Toamasina dia efa indroa nampiatoin’ny mpanolotsaina tamin’ny asany ny ben’ny tanana tao anatin’izay dimy taona naha ben’ny tanana azy izay, saingy ilay voalohany tsy hay izay niafarany fa ny fampiatoana faharoa farany teo vao ho lasa lavitra, satria efa manomboka ny fanadihadia’ny « IGE », na « Inspecteur Général de l’Etat » eo anivon’ny kaominin’i Toamasina izao. Tsy fantatra aloha fa baiko midina avy amin’ny fiadidian’ny filoham-pirenena, na avy amin’ny fiadidiana ny primatiora, na baiko avy amin’ny minisitry ny atitany izay misahana ny fanaraha-maso ny kaominina izao fanadihadian’ny IGE izao, fa ny hany fantatra dia efa manomboka ny fakana am-bavany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina eto Toamasina renivohitra ity. Raha ny vaovao re izao dia efa nalaina am-bavany ny filohan’ny mpanolotsaina sy ny birao miaraka aminy momba ilay fampiatoana ny ben’ny tanana farany teo, izay niatomboka tamin’ny fitarainan’ny mpiasa tsy nandray karama efa am-bolana maro, na ireo mpiasa raikitra na ireo mpiasa an-tselika na ireo tale mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanana. Fantatra izao fa efa mandalo fakana am-bavany avokoa ireo tale mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanana ireo momba ny fanodinkodinam-bola misy eo anivon’ny kaominin’i Toamasina. Raha mikasika izay vaovao izay ihany dia re izao fa tsy nety namaly ny fampiantsoana azy ny ben’ny tanana fa mbola variana nametraka ny filatsahan-kofidiany amin’ny anaran’ny antoko APPEL, hofidiana ho solombavambahoaka ao Mahanoro, ka voatery nalain’ny IGE tany an-toerana mihitsy hiatrika izany fakana am-bavany azy izany, sy hamoaka ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fanadihadiana ataon’izy ireo. Raha izao izany no mitohy dia mety hisy fisamborana ato ho ato eo anivon’ny kaominina ary mety hivoaka tsy ho ela koa ny fampiatoana ny ben’ny tanana Dr Ratsiraka Elisé Laurent, hahafahan’ireo IGE manao antsakany sy andavany ny asany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici