- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilCultureKaominin’i Toamasina renivohitra : Hiara-miasa amin’ny Bianco amin’ny ady amin’ny kolikoly…

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Hiara-miasa amin’ny Bianco amin’ny ady amin’ny kolikoly…

Nanapa-kevitra ny ben’ny tanàna fa tsy maintsy atao ny fiaraha-miasan’ny kaominin’i Toamasina amin’ny sampan’ny Bianco eto Toamasina, amin’ny ady ataony amin’ny kolikoly sy ireo mifandraika aminy rehetra, araka ny lalana. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa ny fomba fiasa taloha rehetra tsara sy nanara-dalàna dia tohizana, fa izay nahitana kolikoly rehetra aoka hajanona manomboka izao, fa tsy handefitra amin’ireo izay tratra amin’izany ny kaominina. Nisy ny fanentanana nataon’ny ben’ny tanàna ho an’ny vahoaka mba hanatona ireo tena tompon’andraikitra amin’izay asa tadiaviny eo anivon’ny kaominina fa tsy hanatona ireo olona tsy tompon’andraikitra. Nisy vokatra izany ny fanazavan-kevitra nataon’ny Bianco teo anivon’ny kaominina sy ny fifamatoram-piaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny Bianco, ka nanasana ireo sefon-tserivisy sy ireo tale rehetra eo anivon’ny kaominina Toamasina renivohitra niatrika izao fihaonana teo amin’ny Bianco sy ny kaominina izao. Fanamby napetraka taorian’izao fihaonana izao hoe ny kaominin’i Toamasina renivohitra lavitry ny kolikoly sy ireo mifandraika amin’izany rehetra. Manantena izany ny ben’ny tanàna fa hanatanteraka ny asany ao anatin’ny fahadiovana sy fanarahan-dalàna tanteraka, hoy ny ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra manomboka izao, hialana amin’ny olana ara-pitantanana sy olana ara-bolan’ny kaominina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici