- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Hotapahin’ny Jirama avokoa ireo herinaratra iantohan’ny kaominina ny...

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Hotapahin’ny Jirama avokoa ireo herinaratra iantohan’ny kaominina ny mpiasany

Nanambara ny talen’ny angovo sy ny akoranafo vaovao eto Toamasina, Atoa Chadly Wander Assany, fa hotapahin’ny Jirama avokoa ireo herinaratra vatsian’ny kaominina amin’ireo mpiasa teo aloha tao aminy efa tsy miasa ao intsony. Noraisina izao mba tsy hahagaboraraka ny famatsian-jiro eto Toamasina, satria manodidina ny 10.000Kwh isam-bolana no iantohan’ny kaominina amin’ireo mpisitraka jiro aminy ireo hatreto, nefa tokony hahavatsy jiro ho an’ny vahoaka isam-pokontany izany, hoy Chadly Wander Assany. Saika ireo “taxe” sy “surtaxe” alain’ny Jirama ao anatin’ny faktioran’ny mpanjifa isam-bolana no andohavan’ny kaominina izany, ka lasa mampihena ny vola tokony hanaovana ny asam-bahoaka amin’ny fanitarana ny herinaratra sy amin’ny fametrahana fatsakana iraisana eny amin’ny fokontany. Efa nampandre ireo tokantrano ho tratry ny fanapahana ny kaominina sy ny Jirama ankehitriny, araka ny nambaran’ny talen’ny Angovo sy ny akoranafo tamin’ny mpanao gazety, ary efa nanomboka omaly izany araka ny nambaran’ny Jirama. Miezaka ny mampitombo ny tanjakan’ny herinaratra omeny ny mpanjifa ny Jirama Toamasina izao, ka manan’amby 2,250MW ny Jirama izao satria 30MW ny fitambaran’ny herinaratra omen’ireo mpamokatra izany. Eo ny Volobe manome 06MW – ao ny ao Tamatave IV manome 14MW – ny Enelec manome 11MW – ary ny Greenpower manome 01MW. Na eo aza io tanjaka efa mitombo eto Toamasina io mba hialana amin’ny delestazy tahaka ny teo aloha, dia manana tetikasa hanangana toby vaovao miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka aminy koa ny Jirama izao, ka afaka hanome herinaratra 18MW ny toby izay hatao “Hybride” izany hoe sady alaina amin’ny masoandro no alaina amin’ny solika, ka ny taona ho avy 2021 no ho vita asa izany hoy ny talem-paritry ny angovo sy ny akoranafo Atsinanana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici