
Mihamahazo vahana ny resaka famakiana trano eto Toamasina tato ho ato izay. Saika isan’andro dia ahenoina izany ny fokontany maro eto Toamasina, hatramin’ny filohan’ny fokontany aza hiaran’izany eto Toamasina. Araka ny baikon’ny lehiben’ny zandary eto Toamasina dia nanatanteraka izany ireo zandary, ka nanao hetsika handravana ireo mpamaky trano mampahory vahoaka eto Toamasina. Vokatra izany dia iray maty voatifitra amin’ireo mpanao famakiana trano ao Andranomadio – Ambalamasy – Tanamakoa –… Mangarivotra, ary efatra azo sambo-belona ka vehivavy ny iray tamin’ireto voasambotra sy mpimasy iray an’ireto jiolahy mpamaky trano ireto, ny andron’ny zoma alina 01 aogositra nifoha ny sabotsy 02 aogositra teo. Araka ny vaovao voaray nampitain’ny zandary dia mbola sarona tao amin’izy ireo ny entana avy nangaralariny sasany, ka teo no nihitatra ny raharaha ka nahasamborana ireo olona hafa nahatonga ireo voasambotra ho efatra izao. Tsy nandefitra ny zandary ka miatrika fakana am-bavany teo anivon’izy ireo ireyo olona, ka ahiana ao anatin’izao raharaha izao ny fihitaran’ny olona tokony ho samborina ihany koa, fa mpiray tsikombakomba. “Namanao ny zandary” araka ny teny filamitry ny zandary, satria baiko avy amin’ny lehiben’ny zandary ny fametrahana filaminana any amin’ny vahoaka.
Malala Didier