Matetika mitera-doza ny fihinana ireny “composé” ireny noho izy mifangaro loatra ny zavatra miaraka ho haniny olona tia azy. Tranga manaraka taorian’ilay tranga niseho tao Ankirihiry “Cité Haras” nampaharary mpianakavy sy ireo olona nihinana niisa 17 izany samy voatsabo avokoa na nisy aza ny nampanano sarotra ny fitsaboana, dia nitranga indray ity fahapoizinana “composé” teo amin’ny sekoly iray amin’ny arabe “boulevard Augagneur” iny. Efa tsy manahy ilay iray mbola nohazonina teny amin’ny hopitaly noho ny fahavoazana nahazo azy. Vokatra ity tranga na fahapoizinana ara-tsakafo amin’ny “composé” ity dia nilaza ny mpitsabo fa ilaina ny mitandrina amin’ny menaka ampiasana, sy ireo karazana fangaro sakafo ampiasaina ary indrindra ny atody, fa miteraka tsy fahasalamana raha ireny no maloto na lany daty na efa simba no ampiasaina. Azo hinoana ireo olona maro nahita ny raharaha fa raha tsy menaka izao fahapoizinana ara-tsakafo izao dia atody nampiasaina. Lasa miteraka fitaintainana eo amin’ny vahoaka izao tranga izao, ka maro amin’ireo mpihinana ity “composé” ity ny miahiahy ankehitriny ary maro ny tsy manjifa izany intsony, ka lasa fatiankona ho an’ny mpivarotra azy izay efa maro eto Toamasina.
Malala Didier