- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Namendraka fanafody tamin’ireo fitaovam-pitaterana

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Namendraka fanafody tamin’ireo fitaovam-pitaterana

Hetsiky ny kaominina niarahany tamin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra ny famendrahana fanafody atao amin’ireo fitaovam-pitateraka misy eto Toamasina, ka anisan’izany ireo : Cyclo-posy – Tuc-Tuc – Taxi be – Taxi ville – ary … kalesa. Mandritra ny telo andro ny hetsika atao manerana ny kaominin’i Toamasina ; izay toerana maromaro no ahitana ny fanaovana azy, ka isan’ireny ny CRJS – Soavita – Biraon’ny prefektiora Mangarano II – ary ny eny amin’ny Rainbow Ambohijafy. Natomboka omaly maraina izany famendrahana fanafody amin’ny fitaovam-pitaterana izany teto Toamasina, izay nosokafan’ny ben’ny Tanana sy ny ekipan’ny CRCO notarihan’ny Governoran’ny faritra Atsinanana. “Tena zava-dehibe ny hetsika famendrahana fanafody toy izao, satria izay ihany no hahafahantsika miady amin’ity valanarerina coronavirus ity”, hoy ny ben’ny Tanana Rakotoniaina Nantenaina Herilala. “Tsy afaka hisioka tsy mbola tafavoaka ny ala mantsy isika, satria mbola mihaodihaody aty amintsika ny valanaretina amin’izao fotoana izao”, hoy ny Governora’ ny faritra Atsinanana Rafidison Richard. Ankilan’izany, dia nisy koa ny fidinana ifotony nitety ireo tsena sy ireo lalam-pasika teto Toamasina nataon’ny ekipan’ny CRCO notarihan’ny Governora ny faritra Atsinanana izao. Isan’izany ny tsena tao Manangareza – ny tsenan’ny Tanambao Verrerie – ny tsenan’Ambalakisoa – ary ny tsenan’Ambalabe. Nandritra izany koa no nizaran’izy ireo aron-tava na arovava tamin’ireo milaza, sy ireo tsy nanao izany teny an-tsena sy an-dalana, satria fomba iray tena tsara ho fisorohana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 ny aron-tava na arovava. Ankoatra izany nampahatsiahy ireo lehiben’ny tsena sy ireo tompon’andraikitra isam-pokontany ny Governora Rafidison Richard, fa mbola tena ao anatin’ny ady atao amin’ny valanaretina Coronavirus isika izao, ka tsy tokony hiraviravy tànana hamotsotra ny ady efa mandeha. Ny antony, dia ny fisorohana ny ho fiverenan’ny aretina indray izay vao mainka hihasarotra ny fisahanana azy mandritra izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici