- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Nanomboka omaly ny fanarenan-dalana samy hafa

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Nanomboka omaly ny fanarenan-dalana samy hafa

Raha ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny kaominin’i Toamasina dia nanomboka omaly ny fanarenan-dalana eto tampon-tananan’i Toamasina. Nosantarina tao amin’ny lalana « route d’ivoloina » eo akaikin’ny tobin-tsolika Jovena Ambalamanasy izany omaly maraina. Niatrika ny fanarenan-dalana izao ny ekipan’ny ben’ny tanana notarihan’i Rakotonirina Nantenaina Herilala. Raha ny fanazavan’ny ben’ny tanana dia ny SMCC no manao izany, ka izy ireo no mahita na hatao « Beton » na atao « Tara » ny fanarenan-dalana ataony, fa tsy ny kaominina no mibaiko. Tetikasa efa teo aloha avokoa izao asa mandeha ankehitriny izao hoy ny ben’ny tanana. Avy any avaratra mianatsimo ny fanamboarana an’izany lalana natomboka izany hoy ireo teknisiana. Ankilan’izay dia hisy ny fanamboaran-dalana samy hafa hitranga eto Toamasina, ka isan’izany ny Boulevard Joffre sy ny manodidina azy rehetra, ka hatomboka avy any avaratra ny fanamboarana ary mianatsimo kosa. Tahaka izany koa ireo lalana hafa tsy maintsy asiam-panarenana amin’izao fanamboaran-dalana ataon’ny SMCC izao. Ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny minisitera ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany no miantoka ny asa hoy ny ben’ny tanana, saingy manampy ao anatin’izany kosa ny kaominin’i Toamasina renivohitra. Ankoatra izay dia nambaran’ny ben’ny tanana hatrany fa mila mitandrina isika ain’ity valan’aretina coronaviris ity, satria mbola tena eto ny aretina fa tsy lasa izany, ka raha tsy mitandrina amin’izao isika fa hanaotao foana dia hiverina eto indray ilay fihibohana faobe nahazo antsika teo aloha ka ho fesona eto isika rehetra, hoy ny ben’ny tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala nanazava. Tano hatrany ireo efa fepetra napetraka hatramin’izay hisorohana ny valan’aretina tsy hiverenany eto amintsika indray, isan’izany ny fampiasana ny arovava, ny elanelana iray metatra, ary ny tsy fifampikasohana samy hafa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici