Sambany tamin’ny tantaran’ny kaominina ambonivohitry Toamasina no nikomy, tsy nandray anjara tamin’ny matson’ny fetim-pirenena 26 jona ny mpiasa tao aminy. Tamin’ny naha-ben’ny tanana an’Ingahy Ratsiraka Elisé Laurent no nisian’izay, hatramin’ny taona 1958 nisian’ny ben’ny tanana voalohany teto Toamasina. Hagagana ny an’ny rehetra nandritra ny matson’ny fetim-pirenena teto Toamasina, ny talata 26 jona, teo amin’ny araben’ny fahaleovantena, fa tsy nisy afa-tsy olona efatra izay samy lehiben’ny servisy teo anivon’ny kaominina ihany no nandray anjara sy nitondra ilay sora-baventy milaza ny fandraisana anjaran’ny kaominina tamin’ny matso. Nitodika tany amin’ny ben’ny tanàna avokoa ny mason’ireo olom-boafidy, olom-boatendry, ireo masoivoho vahiny, ary ireo tale samihafa eto Toamasina niray lampihazo tamin’Ingahy Ratsiraka Elisé Laurent mivady raha vao nandalo ireo olona efatra hany nisolo tena ny kaominina ireto. Raha nanontaniana ireo mpiasan’ny kaominina ny antony tsy nandraisan’izy ireo anjara dia nilaza, fa ho fampahalalan’izy ireo ny ben’ny tanana, fa tsy vitan’izy sy ny ekipany ary ireo « gros bras »-ny sy ireo mpiasa vitsy an’isa mpisolelaka aminy, ny fampihodinana ny kaominina. Nohamafisin’ireto mpiasa hatrany koa, fa mazoto mamoaka vola ny ben’ny tanàna raha hampirevy olona, saingy tsy mahavita izany kosa raha hamoaka ny karaman’ny mpiasa sy izay mba tombontsoany amin’ny fetim-pirenena tahaka izao. Roa volana amin’ity volana ity rahateo, araka ny fanazavana, no tsy nandray karama ireto mpiasan’ny kaominina ireto, araka ny filazan’izy ireo. Ankoatra izany, asa hanao ahoana indray izany ny zoma 29 jona izao ; izay fotoana hitokanana ny tsena mampisy olana goavana eo amin’ny kaominina sy ireo mpivarotra nesorina ao Bazary kely, izay voalaza araka ny angom-baovao, fa hisy filanjana sorabaventy tsy fankasitrahana ny ben’ny tanàna sy fomba fanaony mandritra izany.
Malala Didier