Amin’ny ankapobeny dia mirongatra sy manjaka ny fanaovana hosoka sy kolikoly amin’ireo taratasim-panjakana tokony amboarina eo anivon’ny kaominina, mba hakana vola mihoampampana amin’ny olona manan-draharaha. Vokatr’izany dia mikatso ny fidiram-bolan’ny kaominina amin’izao ka sempotra tanteraka ny ben’ny Tanana amin’ireo vola ilaina, indrindra ny karaman’ny mpiasa tsy maintsy aloha isam-bolana, sy ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny kaominina.
Tra-tehaka vokatry ny fanadiadiana natao ny taratasy hosoka nataona tale teo anivon’ny kaominina, miray tendro amin’ny lefitry ny ben’ny Tanana. Tsy inona ity taratasy tra-tehaka ity fa “quittance” izay isan’ny mampidi-bola eo anivon’ny kaominina satria nakany vola mitentina 800.000 ariary be izao tamin’olona. Tsy azony anefa ilay toeram-pivarotana nandoavany vola be ity fa lasan’olon-kafa, ka tsy naharitra izany ilay voambaka ka nanantona ny ben’ny Tanana sy nitondra ny “quittance” efa nandoavany vola tao amin’ny tale sy ny lefitry ny ben’ny tanana teo anivon’ny kaominina.
Raha nanao fanadihadiana ny ben’ny Tanana dia hita fa hosoka ilay taratasy fifanekena sy ilay “quittance” natao, ka olona roa no notorian’ity olona voasoloky ity teny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava, dia tsy iza fa ny talen’ny tontolo iainana eo anivon’ny kaominina Atoa Randrianary Félix Alain, sy ny talen’ny fiarovana eo anivon’ny fiadidian’ny kaominina Atoa Mahefa Flavien. Nisy moa ny famerenam-bola nataon’izy roa lahy ireto nandritra izany, mba tsy hitaran’ny raharaha ho eny amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.
Fantatra ihany koa izao fa ny lefitry ny ben’ny Tanana mianadahy izay misahana ny tsena, sy ny fanajariana ny tany (urbanisme) dia voasarigotra koa amin’ny fandrefesan-tany tsy ara-dalana etsy sy eroa, ka hatramina na fasana monisipaly avy tian’izy ireo bakoavina na dia tsy manaiky izany ny talen’ny fanajariana ny tany eo anivon’ny kaominina. Miteraka olana goavana eo anivon’ny kaominina ity raharaha ity amin’izao, satria ireo tompom-pasana eny “Marokarazana” nalan’ireto mpiasa ambony ao amin’ny kaominina ireo tsy manaiky izany velively, ka mampiakatra ny fitarainany any amin’ny ben’ny Tanana.
Ankoatra izany, amin’ireo raharaha rehetra ireo dia mandeha avokoa ny tsindry ara-politika natao tamin’ireo polisy nanao ny fanadihadiana momba ilay raharaha hosoka nataon’ireo tale roa tao amin’ny kaominina, teo koa ny tsindry ara-politika amin’ny ben’ny Tanana momba ireo lefitra roa mpanao kolikoly avo lenta. Ao anatin’izao anefa ny mpiasa tsy manaiky ny zavatra toy izany satria miantoka nyfidiram-bolan’ny kaominina no hitrangana hosoka sy kolikoly avo lenta toy izany, ka mitaky amin’ny ben’ny Tanana ny hanesorana tsy misy hatak’andro ireo olona voaroiroy ireo.
Malala Didier