- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra :Tafapetraka ao amin’ny biraon’ny ben’ny Tanana amin’izay ny PDS...

Kaominin’i Toamasina renivohitra :Tafapetraka ao amin’ny biraon’ny ben’ny Tanana amin’izay ny PDS vaovao

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny vadintany,  ny Me Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana, araka ny lalana tao amin’ny biraon’ny ben’ny Tanana, dia nandray ny asany ara-dalana tao amin’ity birao natokana ho an’ny ben’ny Tanana ao amin’ny Lapan’ny tananan’i Toamasina ity ny filohan’ny delegasionina manokana (PDS) Razafimanana Christain.

Tsy ilaina intsony ny famindram-pitantanana eo amin’ny ben’ny Tanana naato sy ny PDS vaovao, hoy ny vadintany, satria efa tsy am-perina’asa intsony ny ben’ny Tanana tamin’ny fanendrena azy ireo noho izy efa nametra-pialana tao anatin’ny naha-kandida ho solombavambahoaka azy tao Mahanoro . Tsy nisy ihany koa ny fakana ny didim-pitsarana nanokafana ny trano, noho ny fanalahidin’izany efa nomen’ny ben’ny Tanana ka nampitondrainy ireo mpiara-miasa taminy teo aloha ihany koa. Afaka nandray ny toerana sy ny biraon’ny ben’ny Tanana amin’ny maha-PDS azy avy hatrany izany Atoa Razafimanana Christain, taorian’ny fanadihadian’ny vadintany natao omaly misandratr’andro. Natao omaly antoandro ihany koa taorian’ny fametrahana ny PDS ireo lefiny mpiara-miasa aminy mianadahy sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina vaovao, izay mbola samy natrehan’ny vadintany avokoa izany rehetra izany, amin’ny fitanana an-tsoratra rehetra.

Ny olana hita omaly, dia teo amin’ny a fanamarinana ny fisoratam-panambadian’olona. Ho fandaminana izany  mariazy izany, dia nandray fepetra ny PDS omaly, fa ny lehiben’ny servisin’ny sora-piankohonana avokoa aloha no mandray izany fisoratam-panambadiana izany; satria efa tsy afaka manao izany mba tsy hiteraka ny tsy hampanan-kery ny fanambadin’olona ireo ben’ny Tanana lefitra mpanao izany teo aloha rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici