- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Tovovavy nandeha « cyclo-pousse » voan’ny totohondry

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Tovovavy nandeha « cyclo-pousse » voan’ny totohondry

Tsy afaka mifandefitra intsony ny olona ankehitriny, fa vao misy ny resaka tsy mifankahazo dia raikitra avy hatrany ny ady sy fifampitadorahana. Tovovavy iray 24 taona nitaingina « cyclo-pousse » no tratran’ny totohondry avy hatrany raha nisy tsy fifankazahoana teo amin’izy roa. Tsy hay mazava ny nahatonga ny fifandirana teo amin’izy ireo, fa ilay tovovavy efa vaky vava sy naratra teo amin’ny tavany no nanaitra ny rehetra nahita ny raharaha. Raha ny fanazavana voaray dia niainga teo amin’ny hopitaly be ho an’ny amin’ny tobin’ny mpamonjy voina mifanakaiky amin’ny toerana teknikan’ny kaominina ny dia, ka teo akaikin’ny tobin’ny mpamonjy voina no nitranga ny daroka totohondry. Nipitika nitsirarana tamin’ny tany mihitsy ilay tovovavy nandritra izany, ka ireo mpandalo no nanampy ampy tao anatin’izany. Raha nahita izany ireto mpamonjy voina tsy lavitra teo dia nandray ny andraikiny avy hatrany, ka nisambotra ilay mpitondra « cyclo-pousse » ka nitondra azy teny amin’ny tobin’ny zanday tsy lavitra teo, ary nitondra ilay tovovavy teny amin’ny hopitaly be mba hitsabo tena. Avy hatrany dia voatazona teny amin’ny zandary ilay mpitondra « cyclo-pousse » noho ny fitoriana napetraka ilay tovovavy tamin’ny daroka nahazo azy, ka niatrika fakana am-bavany noho ny vono narahina fandratrana olona ny tenany, ary ilay tovovavy kosa efa nahazo fitsaboana sahaza azy ihany koa dia afaka namonjy fodiana. Ity tovovavy ity moa dia mpianatra ho mpitsabo mpanampy sy mpampiteraka eto Toamasina, saingy miasa an-tselika mivarotra koba mandehandeha raha tsy mianatra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici