- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Tsy azo ekena intsony ny fanamboarana “cyclo-pousse” vaovao…

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Tsy azo ekena intsony ny fanamboarana “cyclo-pousse” vaovao…

Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny tananan’i Toamasina renivohitra fa tsy azo ekena intsony ny fanamboarana “cyclo-pousse” vaovao, alohan’ny fandaminana ny efa misy sy ny fifamoivoizana eto Toamasina renivohitra. Vokany namoaka didy mifanaraka amin’izao ny ben’ny Tanana ka manikaraka ireo polisy monisipaly amin’ny fanaraha-maso izany eny amin’ny boriborintany sy ny fokontany eny. Nahatratra fanamboarana ireto “cyclo-pousse” teny amin’ny fokontany ary ny polisy monisipaly, ka voatery noraofina avokoa ireo fitaovana fanamboarana izany tao amin’ilay toerana fanamboarana azy ity rehetra. Nisy koa ny fisamboarana ireo mpanamboatra izany sy ny fihainona azy ireo niaraka tamin’ny tompon’ilay toerana fanamboarana azy ity. Efa nanova ny nomerao fametraka amin’ireo “cyclo-pousse” koa ny kaominina amin’izao, ka ho avy koa ny fisavana izany aorian’ny fampahafantarana izany amin’ny “jocker”. Misy koa ny fampihofanana azy ireo momba ny lalan’ny fifamoivoizana, mba hisin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto Toamasina izay efa tena sarotra amin’izao fotoana , izay miteraka lozam-pifamoivoizana saika isan’andro. Ankilan’izany dia tsy mandefitra amin’ireo mpivarotra amin’ny lalam-bahoaka, “trottoir”, koa ny kaominina amin’izao fotoana izao, ka ny tao Bazary kely no efa milamina aloha hatreto, ary hifidra amin’ny toerana hafa eto Toamasina izy ireo manomboka izao, indrindra fa eny amin’ny bazarin’Ankirihiry eny. Ankilan’izany koa ny fifehezana ireo fiara vaventy mpitatitra entana sy mpanatitra izany eny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara eto anivon’ny kaominina amin’ireo tranom-barotra mpivarotra azy ireny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici