Efa nanomboka tamin’ny tsy fandraisana anjara nandritra ny matso noho ny tsingerin-taona faha-58 taonan’ny fahaleovan-tena teto Toamasina ny tsy fahafalian’ny mpiasa amin’ny ben’ny tanana, tamin’ny tsy fandraisan’izy ireo ny karamany talohan’ny fety. Mbola naverin’ny mpiasa koa izany tamin’ny tsy famaliana ny fanasan’ny ben’ny tanana tamin’ny fametrahana mariboninahitra azy sy ny fitokanana ny tsena vaovao tao Bazary kely farany teo. Omaly talata kosa dia ny fitokonana teo anivon’ny lapan’ny tanana no nataon’ny mpiasa noho ity resaka karama tsy azon’izy ireo ity, mahatratra roa volana, may sy jona, ny karama tsy mbola azon’izy ireo ity. Vao maraina dia ireo « gros bras » ny ben’ny tanana mihitsy no tsy nanaiky ny nanokafana ny varavaran’ny lapan’ny tanana amin’ny ora fiasana, ka tavela taty an-tokotany avokoa ny mpiasa sy ny mpila raharaha tao amin’ny kaominina. Nanao tery vay manta nanokafana izany ny ekipan’ny ben’ny tanana, raikitra ny sakoroka teo amin’ny samy « gros bras » ny ben’ny tanana. Nisokatra ihany ny lapan’ny tanana saingy nisafidy ny tsy handray ny asany mihitsy ireto mpiasa na nanaovana fandrahonana horoahina aza. Ho azy ireo dia « karama voaray, miasa izahay » sy ny hoe « tsy misy ny vola, tsy misy koa izany asa mandeha eto ». Ankilan’izay dia mampifanolana ireo lefitry ny ben’ny tanana sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanana koa ity resaka karama ity, satria noho io raharaha io indrindra no nampifandramatra sy nifanaovan’ny lefitra voalohany sy ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanana totohondry. Miezaka mandamina ny karaman’ny mpiasa ny lefitra voalohany saingy manakana izany kosa ny lefitra faharoa ampian’ireo mpikamban’ny kabinetran’ny ben’ny tanana. Ankoatra izay dia lavin’ny tahirim-bolam-panjakana avokoa ireo taratasim-bola mikasika ny karaman’ny mpiasa alefan’ny kaominina eny amin’izy ireo. Ny antony araka ny fanazavana dia mahita ireto tahirim-bolam-panjakana Toamasina ireto fa be loatra ny mpiasa matoatoa ataon’ny kaominina mba hanodinana vola, maro an’isa izany ho an’ny mpiasa an-tselika…
Malala Didier