Omaly alakamisy tamin’ny 10ora sy sasany no natao ny famindram-pitantanana teo amin’ny ben’ny tanana vaovao Rakotonirina Nantenaina Herilala sy ny filohan’ny delegasionina manokana Razafimanana Jean Christin; lanonana natao tao lapan’ny Tanana izay natrehan’ny talen’ny fitsinjaram-pahefana eo anivon’ny minisiteran’i atitany, ny prefektioran’i Toamasina, ny faritra atsinanana, ary tonga teto Toamasina niatrika izao famindram-pitantanana izao koa Atoa Rajaonarivelo Pierrot.
Nandritra izao lanonana omaly alakamisy izao no nilazan’ny Pds ny kaominina Razafimanana Jean Christin fa « afa-po tamin’ny asa nataony izy sy ny ekipany na fohy ihany aza, satria saika tratra avokoa ny tanjona napetreka toy ny fanazavana ny tanana, ny fanadiovana ny kaominina, ary ny fanondoavana ireo vary mangatsiaka ny kaominina tamin’ny karaman’ny mpiasa tsy voaloha amam-bolana maro teo aloha ». Nomarihan’ny Pds teo aloha izay mpiasan’ny kaominina ihany koa hatrany, fa izay tsy vita tamin’ny fampandrosoana sy fandaminana ny kaominina dia anjaran’ny ben’ny tanana vaovao ny manohy azy.
Ny ben’ny tanana vaovao Rakotonirina Nantenaina Herilala, fa « ben’ny tanana misokatra ho an’ny rehetra sy ireo tsy mitovy loko politika aminy tena te-hampandroso an’i Toamasina aho, satria ny tanjona izao dia Toamasina Madio, Toamasina Mandroso, Toamasina Milamina, ary Toamasina Mazava ». Nomarihan’ny ben’ny tanana ihany koa fa « tsy hisy izany ho fandroahana mpiasa izany, na izany aza dia mila miasa ho an’ny vahoaka izay mandoa ny karamany ireo mpiasa maro be mahatratra 2.500 na mpiasa 1.700 na 1.800 aza no tena zakan’ny volan’ny kaominina ».
Ho an’ireo ho mpiara-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanana vaovao dia tsy maintsy hiova olom-baovao avokoa izany na mety tsy hifanaraka amin’ny fanirian’ny rehetra aza ireo voatondro amin’izany. Omaly alakamisy ihany dia raikitra tao amin’ny biraon’ny ben’ny tanana ny fivoriana niarahan’ny Rakotonirina Nantenaina Herilala sy ireo tale eo anivon’ny kaominina ary ireo mpiara-miasa aminy.
Malala Didier